Inspnmad: HAMERINA NY TAONA VOLAMENA

Tao anatin’izay 30 taona nijoroan’ny Vondrona INSPNMAD izay dia nisy ny taona volamena niainany.
Hamerina izany taona volamena na “Age d’or” izany ny INSPNMAD ary mora ny hanaovana izany
satria ankoatra ireo traikefa efa nananana teo aloha dia hanamora izany ny fisian’ny teknolojia, hoy
ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona INSPNMAD – Rolland Albert RAZANADRAKOTO , nandritra ny
fifampiarahabana tratry ny taona izay nataon’ny Mpiasa rehetra eo anivon’ity vondrom-pampianarana
lehibe eto Madagasikara ity, ny sabotsy 21 janoary 2023 tetsy Ambatoroka.

Maro ny olona ambony efa navoakan’ny INSPNMAD nandritra izay 30 taona izay. Ao ny lasa Magistrat , Avocat ,
Administrateur Civil , Mpandraharaha lehibe , Mpiasa eny anivon’ny ministera samihafa.

Namolavola olom-banona maro ny INSPNMAD ary tena nanompo firenena tamin’ny alalan’ireo famoahana
mpianatra Mpitsabo mpanampy miely patrana manerana ny Nosy.

Ahitana mpianatry ny INSPNMAD avokoa ny lafy valon’ny Nosy – hatrany am-pitandranomasina.

Fa isan’ny ezaka goavana hataon’ny INSPMAD koa ny fanomezana ny voka-pikarohana nandritra izay 30 taona izay
miampy herintaona , ho an’ny Filoham-pirenena amin’ny 28 Mars 2024. ” Hatolotray an’izay Filoha vaovao lany eo
io voka-pikarohana io , entina hanampiana ny seha-pampianarana , azo ampiasaina eto Madagasikara ” , hoy hatrany ny PDG
Rolland Albert RAZANADRAKOTO ANDRIAMANANAHASINATSARA.

Mikasika ny rafitry ny fampianarana kosa, dia mizotra mankany amin’ny tsaratsara kokoa , ny INSPNMAD ary vonona ny
hanatsara ny rafi-pampianarany.

631 réflexions sur “Inspnmad: HAMERINA NY TAONA VOLAMENA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *