FIM -17 : HANOME LANJA KOKOA NY LAFIN’NY TONTOLO IAINANA

FIM -17 : HANOME LANJA KOKOA NY LAFIN’NY TONTOLO IAINANA

📌Hotanterahana tsy ho ela Etsy amin’ny Parc des Expositions Tanjombato ,ny andiany faha-17 amin’ny Foire Internationale de Madagascar na ny FIM.Izany dia hatao ny 11 -12-13-14 May 2023 ho avy izao.Misy ny lohahevitra entina hanentana io andiany faha-17 io ,dia ny”Eco responsabilité”,ho fanezan-danja bebe kokoa ny tontolo iainana no tena nisafidianana io lohahevitra io raha ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny FIM ,andriamatoa Gérard Monloup.

Eo ihany koa ny fanasongadinana ireo vokatra sy sokajin-javatra miaro ny tontolo iainana.

📌Hasongadina mandritra ny tsenabe ihany koa ny asa tanàna malagasy,ireo vita malagasy rehetra.Fa indrindra fifanankalozana traikefa ho an’ny mpandraharaha vaventy sy salantsalanany izy io;ary fitadiavana lalam-barotra vaovao ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny varotra rehetra.

Androany moa no natao ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety,ho fampahafantarana ny fisian’ny hetsika tsy ho ela.

400 réflexions sur “FIM -17 : HANOME LANJA KOKOA NY LAFIN’NY TONTOLO IAINANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *