Filohan’ny Antenimierandoholona :” TSY VAHAOLANA NY TETEZAMITA “

📌Miely ny resaka ny mety hisian’ny tetezamita eto Madagasikara,ao aorian’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filoha ankehitriny.Manana ny heviny mahakasika izay ny filohan’ny Antenimierandoholona, Herimanana RAZAFIMAHEFA ;tsy vahaolana ho an’i Madagasikara intsony ny fisian’ny tetezamita,raha amin’izao vanim-potoana izao no jerena.Ny fiatrehana ny fifidianana no tokony himasoan’ny maro,sy ireo mpanao politika eto amintsika.Efa dimy taona no teo ny fitondrana,ka miandrandra fifidianana ny olom-pirenena rehetra.

📌 Mila fitoniana tanteraka ny vahoaka malagasy mialohan’ny fifidianana,ka tsy tokony hifantoka amin’izany avokoa ny rehetra.Raha ny eo anivon’ny fitondrana indray,dia vonona ny hiroso amin’ny fifidianana ;ary ao anatin’ny fanomanana izany tanteraka izao ny fitondrana.

Nanangona:Alex R.

Sary : RHA

189 réflexions sur “Filohan’ny Antenimierandoholona :” TSY VAHAOLANA NY TETEZAMITA “

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *