Fikasana hanafika mpandraharaha tao Betafo:  JIOLAHY ROA LAVON’NY ZANDARY

RAVAN’NY ZANDARY AO AMIN’NY TOBIM-PARITRY NY ZANDARIMARIA BETAFO NY ANDIAN-JIOLAHY SAIKA HANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA. NISY NY FIFAMPITIFIRANA KA NAHAFATESANA JIOLAHY MIISA ROA, MIISA 7 KOSA NO AZO SAMBOM-BELONA

Ny sabotsy alina 4 novambra 2023 teo dia nisy andian-jiolahy miisa fito nikasa hanafika mpandraharaha iray tao amin’ny kaominina ambonivohitra Betafo distrika Betafo.Nohon’ny angom-baovao nomen’ny tsara sitra-po an’ireo zandary ao amin’ny tobim-paritra Betafo izay tarihin’ny GPHC ANDRIAMAHEFANIAINA Davidson Jemima anefa dia sarona ary tsy tanteraka ny fikasan-dratsy nataon’ireo andian-jiolahy ireo.

Nisy ny fifampitifirana ka lavo tamin’izany ny jiolahy roa ary sarona ihany koa ny fitaovam-piadiany.

Marihina fa ireto jiolahy lavon’ny balan’ny zandary ireto dia anisan’ny rain-dahiny amin’ny asa ratsy tany amin’ny kaominina Alatsinainy Ibity distrikan’Antsirabe II ary efa nanaovana fikarohana.Eo am-pitadiavana ireo jiolahy dimy tafa-poritsaka tamin’ny fifampitifirana ankehitriny ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Betafo.

294 réflexions sur “Fikasana hanafika mpandraharaha tao Betafo:  JIOLAHY ROA LAVON’NY ZANDARY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *