Fikambanamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara :MAMETRAKA AHIAHY AMIN’NY FIFIDIANANA

Fikambanamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara :MAMETRAKA AHIAHY AMIN’NY FIFIDIANANA

🇲🇬Nanao fanambarana ampahibemaso ny fikambanamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara, tamin’ny asabotsy 5 aogositra 2023 lasa teo,izay manambara ny ahiahin’izy ireo amin’ny fifidianana izay hatao eto Madagasikara tsy ho ela.Maro ny tsy fanarahan-dalàna hita nataon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI.

Maro ihany ko ireo lesoka hita taratra eny ifotony raha ny nambaran’izy ireo hatrany,ary tsy mahafam-po ny maro ny fikarakarana ny fifidianana.
📌Raha ny nambaran’ny Vondrona afrikanina tamin’ireo ampanjaka eto Madagasikara,dia hisy korontana eto Madagasikara aloha,mandritra ary ao aorian’ny fifidianana raha toa ka tsy hametraka mialoha ny governemanta madio,marina ,ary tsy miandany amin’ny andaniny sy ny ankilany.
📌Tokony hametraka fahatokisana amin’ny ampanjaka ny fitondrana ka hanome azy ireo ny fahefana hitondra an’i Madagasikara,ho famonjena ny firenena.
Io fanambarana io moa dia natao teo anoloan’ny mpanao gazety,niarahana tamin’ireo taranaka ampanjaka eto Madagasikara,tetsy Ankerana.

✍️: Alex R.
📷: Olivia R.

235 réflexions sur “Fikambanamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara :MAMETRAKA AHIAHY AMIN’NY FIFIDIANANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *