FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA

Toy izao manaraka izao ny daty hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena navoakan’ny CENI:

Alakamisy 09 novambra 2023 ny fihodinana voalohany;
Alarobia 20 desambra 2023 ny fihodinana faharoa.

Efa nalefa any amin’ny Fitondrampanjakana ireo daty voafaritra ireo sy ny tetiandro mifanaraka amin’izany.

Nalefa nakana ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ihany koa satria mampihena folo andro ny fe-potoam-piasan’ny Filoham-pirenena am-perinasa izany ka manohintohina ny voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha 47: “Ny fifidianana ny filohan’ny Repoblika dia tanterahina telopolo andro farafahakeliny ary enipolo andro farafahabetsany alohan’ny fiafaran’ny fe-potoana fiasan’ny filoha am-perinasa”. Raha ny tokony ho izy izany dia tanterahina eo anelanelan’ny
19 novambra 2023 – 19 desambra 2023 ny fihodinana voalohany satria tapitra ny 19 janoary 2024 ny fe-potoam-piasan’ny filoha am-perinasa.

Nambaran’ny filohan’ny CENI fa
lafiny teknika mba hahafahana mampandray anjara ny mpifidy hisitraka ny zony afaka handrotsa-bato an-kalalahana sy hampiakatra ny tahan’ny mpifidy no anton’ny safidy. Mety hitontona any amin’ny kirisimasy sy fetin’ny faran’ny taona raha manaraka ny voalazan’ny lalàmpanorenana no efa tafiditra ao anatin’ny toetrandro ratsy. Tsy ny mpifidy ihany no tsinjovina fa ny kandida mpifaninana ihany koa satria raha toetrandro ratsy no anaovana ny fifidianana dia mety hiteraka fahasahiranana ho an’ny kandida amin’ny fitetezam-paritra.

Ledefi-madagascar

Manao antso avo amin’ny Fitondrampanjakana sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny Filohan’ny CENI mba hanaiky ireo daty ireo ho tombontsoa ambonin’ny Firenena. Hanaiky ny endrika fandikana lalàmpanorenana anefa ve ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana? Hanaiky ny fampihenana ny fe-potoam-piasany ihany koa ve ny Filoham-pirenena am-perinasa sy ireo fianakaviambe politika miara-dia aminy?

#ceni_madagascar
#ledefi_madagascar

Araho hatrany ny vaovao samihafa eto amin’ny https://ledefi.mg

354 réflexions sur “FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *