FIATREHANA NY FIFIDIANANA : TSY MIANDANY AMIN’NY ATSY NA AROA NY ” EMMONAT” ARY MIANTSO NY REHETRA HO TONY

Hentitra ny fitandroana ny filaminana amin’ity anio andron’ny fifidiananana Solombavambahoaka eto Madagasikara ity. Nandray fepetra mifandraika amin’izay ireo vondron’ny mpitandro filaminana mba hanamafisana ny asa. Eo ny fampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana miandraikitra ny fiarovana ny fizotry ny fifidianana. Ny fanatevenana ny fiaraha-miasan’ny mpitandro filaminana sy ny mpikarakara fifidianana rehetra, ny CENI sy ny faritra ny Distrika ary ny kaominina.

Nohamafisina fa tsy hiandany amin’ny atsy na ny aroa ary tsy ho varebirebin’ny fiantsina isan-karazany izay mety hiseho mandritra ny fanatanterahana ny asany, ny mpitandro filaminana. Entanina hany koa anefa ny kandida sy ny mpomba azy mba hanaja ny lalàna velona momba ny fifidianana.

Tokony ho tony ny olom-pirenena tsirairay amin’ny fanantanterahana ny adidiny satria ny EMMO.NAT dia efa mandray ny andraikitra manandrify azy.

Tantely ANDRIANOMENJANAHARY

2 763 réflexions sur “FIATREHANA NY FIFIDIANANA : TSY MIANDANY AMIN’NY ATSY NA AROA NY ” EMMONAT” ARY MIANTSO NY REHETRA HO TONY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *