Farafangana

FARAFANGANA: FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FAMPAHAFANTARANA MOMBA NY OLONA MANANA TOE-TENA VARIRA

Tapaka tamin’ny fivoriambe ny firenena mikambana ny 2015 fa ny faha 13 volana Jona no atao ho fankalazana ny “andro iraisam-pirenena ho an’ny fampahafantarana momba ny olona manana toe-tena varira”, fa noho ny fandaminana dia nahemotra ny faha 29-30 volana Jona izany fankalazana izany ny amin’ny eto Madagasikara hoy nambaran’ny filohan’ny “Association Albinos Madagascar” SOJA Fulgence. Tany Farafangana moa ny nanaovana izany fankalazana izany .

Araka nambaran’ny filohan’ny Association Albinos Madagascar hatrany dia ity no fankalazana voalohany tamin’ity taona ity izay nandraisan’ny fikambanana “Albinos Madagascar” anjara izay izy ireo mihitsy no nikarakara ity fankalazana ny “andro iraisam-pirenena ho an’ny fampahafantarana momba ny olona manana toe-tena varira” ity . Maro ny hetsika nataon’izy ireo nandritra ny fankalazana toy ny famelabelaran-kevitra izay nampafantarana ireo mpianatra ny mahatonga ny olona iray ho varira sy namaliana ireo fanontaniana manodidina izay olona manana toe-tena varira izay.
Tao ihany koa ny fizarana “crème solaire” tao amin’ny centre SEMAFA Farafangana .

Raha tsiahivina dia nisy vaky trano izay nahazo an’ny SOJA Fulgence filohan’ny “Association Albinos Madagascar ” araka ny nambarany dia efa andalam-panadihadiana ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana ao Maevantanana ka maneho ny fisaorana azy ireo izy ary manantena ny hivoahany fanadihadiana .

✍️Olivia R.
📷RHA

2 réflexions sur “Farafangana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *