Grand sud est

Fikambanan’ny zanaky Atsimo Atsinanana:MITAKY NY FAMOAHANA NY TALE MPISOLO TOERANA NY CNAPS

📢Naneho firaisankina ny fikambanan’ny zanaky Atsimo Atsinanana,ny 5 jolay lasa teo,momban’ilay raharaha mahavoatazona ny tale jeneraly mpisolo toerana ny CNAPS,dia i ramatoa TSABOTO Joslina izany.
Maro ny fanodikodinam-bola maro hita eto amin’ny firenena,eo ihany koa ireo fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena izay ataon’ireo tsy maty manota;hoy ny mpitondra tenin’ny zanaka Atsimo Atsinanana Dokotera VANOVASON Adrien.Iaraha-mahita ihany koa ireo kolikoly avo lenta misy eto Madagasikara,nefa hodian’ny fanjakana tsy misy hatrany izany,araka ny nambaran’izy ireo hatrany.Ny fampiharana ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny firenena ,dia efa tsy misy intsony.
📢 Manoloana ireo zava-misy rehetra ireo,dia nampiaka-peo ny zakany ny faritra Atsimo Atsinanana,ny hamoahana tsy misy fepetra an’i ramatoa TSABOTO Joslina,tale jeneraly mpisolo toerana ny CNAPS, noho ny antony fampidirana mpiasa teo anivon’ny CNAPS,no nitanana am-ponja azy.Nitaky ny fanajanonana ny fanenjehana sy ny famonjana nihatra tamin’ny zanaky ny faritra izy ireo.
Nangataka ny hanaovan’ny fitsarana ny asany am-pahamarinana ny zanaky ny faritra,ka ny hanohizana ny fanadihadiana marina sy mazava.Ny firaisankinan’ny malagasy rehetra no tena ilaina hoy hatrany ny mpitondra tenin’ny faritra,mba tsy hanjakan’ny fizarazarana misy eto amintsika,sy ny fanavahana foko.
Nanao io fanambarana io moa ny zanaky ny faritra Atsimo Atsinanana,tetsy Tsimbazaza, nanoloana ny mpanao gazety.
✍️:Alex R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *