Cnaps

Cnaps: TOKONY HAMPIDITRA 1 MILIARA ISANANDRO

Manao antso avo ny fanendrena ny tale jeneralin’ny CNAPS ny vondron’ny mpiasa sy ny mpampiasa eo anivon’ny GEM,CTM, SIM….androany tetsy amin’ny GEM Ambohijatovo, fanehoan-kevitra noentin’izy ireo hamerenana ny rafitra eo anivon’ny CNAPS no natao.

Tsy mandeha arakin’ny tokony ho izy hoy ny GEM ny rafim-pitantana ao CNAPS raha tsy mipetraka ny tale jeneraly ary mety hiteraka fantiantoka sy
fasahiranana ho an’ireo mpisitraka ny fiantoan’ny asa eo amin’ny CNAPS .

Araka ny nambaran’ny filohan’ny filan-kevi-pitantana’ny CNAPS dia tokony hampiditra vola 1 miliara isanandro ny CNAPS fa honon’ny fiantohana dia voasembantsembana izany. Tsy fahefan’ny rafim-pitantanana ny CNAPS ny fitakian’ny mpiasa hoy ihany ny nambaran’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana fa ny rafim-pitsarana no misahana ny raharaha izay hitakiana ny mangarahara.
Tsy tokony tsy hanaovana tantely afa-drakotra ny CNAPS ka ilaina ny fisian’ny tale jeneraly entina hampandehana indray ny asa .

Efa nisy moa ny fanampahan-kevitra noraisin’ireo teo anivon’ny filan-kevi-pitantananan’ny CNAPS dia mba hiverenan’ireo mpiasa hiasa haingana hilaminan’ny fampandehanana indray ny asa .


Olivia R. / Elisa R.

370 réflexions sur “Cnaps

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *