Cash Point Sabnam

Fivondronan’ny “Cash point” Sabotsy Namehana:MATY ANTOKA TANTERAKA


Mitaraina ireo mpiasa mitana “Cash point”,eny Sabotsy Namehana amin’izao fotoana izao,noho ny fiakaran’ny saran’ny fandefasa,fakana ary fametrana vola amin’ireo tambazotra misy eto Madagasikara.Midangana tsy araka ny tokony ho izy intsony ny saran’izy ireny,ka zary maty antoka fotsiny ireo mpiasa mitazona azy ireo.Tsy misy fampahafantarana mialoha anefa avy amin’ireo tambazotra telo miasa eto Madagasikara,tamin’io fanovana tarifa io,ka lasa miasa faty antoka ny mpiasa.Nihena hatramin’ny 20% ny karama raisin’ny mpiasa iray.
Efa nametraka fitarainana tamin’ireo tambazotra ireo moa ny sendika mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny fivondronan’ireo mpitazona”cash point”,eo Sabotsy Namehana,saingy tsy nahazo valiny fahafahampo hatrany.Ny 15 Jona lasa teo no efa nanao fangataha-panazavana izy ireo ,fa miveri-maina fotsiny ihany.


📌Raha ny resaka fifanaraham-piaraha-miasa indray;dia efa tamin’ny volana aogositra 2022,no nampiharana azy farany.Tao aorian’izay,dia tapaka ny fifanarahana,ka samy nanao izay hahaveloman’ny tenany na mpiasa tsotra ,na ireo tambazotra eto Madagasikara.
📌Mitaky ny hisian’ny fifamoiresahana matotra sy mazava eo amin’ny tambazotra telo miasa eto Madagasikara,ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ary ny fivondronan’ny mpitazona cash point,araka izany izy ireo,raha nitafa nanoloana ny mpanao
gazety,ny 29 Jona,tetsy Analakely.


✍️Alex R.
📷RHA

433 réflexions sur “Cash Point Sabnam

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *