BETROKA : MAFY NY FIFAMATORANA EO AMINY SY NY KANDIDA LAHARANA FAHATELO

Tao Betroka ny kandida laharana fahatelo Andry Rajoelina androany 29 Oktobra 2023. Ireo vahoaka marobe tonga nandray azy dia nanamafy ny fitiavany an’I Andry Rajoelina. Fitia mifamaly ny antsika ka vonona koa ny tenany hanohy ny fampandrosoana efa natomboka. Ny asan-dahalo sy ny tsy fandriam-pahalemana no napalaza an’i Betroka taona vitsy lasa izay. Tsy nisy andro tsy nahenoina vaovao mikasika halatra omby sy vono olona. Niova izany ankehitriny. Nanambara ny vahoakan’i Betroka fa milamina ny tanana ary mandry fahalemana ny mponina. Vao niakatra teo amin’ny fitondrana ny filoha Andry Rajoelina taminy taona 2019 dia nataony laharam-pahamehana ny famongorana ny halatr’omby sy ny famerenana ny fandriam-pahalemana tao Betroka sy ireo distrika manodidina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Izay indrindra no antony nametrahana ny Base Opérationnelle Avancée (BOA) ary nampitomboina ny isan’ireo miaramila sy zandary miasa any Atsimo.

Notolorana ireo fitoavana maro manarapenitra toy ny angidimby sy fiara tsy mataho-dalana ihany koa ny tafika hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Rehefa nilamina ny tany dia afaka niasa sy nifantoka tamin’ny asa fivelomany andavanandro ny vahoaka. Ireo no tena maharesy lahatra ny vahoakan’i Betroka hanamafy indray ny fahatokisany sy ny fanohanany ny kandida Andry Rajoelina. Araka izany dia handrotsaka ny laharana fahatelo ny vahoakan’i Betroka aminy 16 novambra ho avy izao. 66% no vato azon’i Andry Rajoelina teto Betroka taminy 2018. Amin’ity 2023 ity dia manome toky izy ireo fa hanamontsana ny record ka hahatratra hatrany aminy 75% ny vato homena ny numéro 3. Nanotrona ny kandida laharana fahatelo teto Betroka ny député Nicolas Randrianasolo sy ireo députés lany taty amin’ny faritra Atsimo ary ireo maires voafidy taty an-toerana. Ny lonaky aty Betroka ihany koa dia nanolotra satroka bônetra, lefona fanorolahy ho entina miady sy lamba flanelle an’i Andry Rajoelina ho mariky ny fitiavana sy fahatokisana atolotra azy, araka ny fomban’ny foko Bara. ” Tsy misy miviovio i Betroka ary miteny izahay Raiamandreny fa 100% Betroka amin’ity fifidianana ity, hoy izy. Nitsodrano ihany koa ary nanambara fa ho lany filoham-pirenena i Rajoelina.

Hanohy ireo asa efa natomboka nandritra ny 5 taona ny kandida laharana fahatelo. Nohamafisiny teto ny fitiavany manokana an’i Betroka sy ny Faritra atsimon’ny Nosy. Fantatr’i Betroka ny fitiavako ny faritra Atsimo. Raha misy akaikin’ny foko sy ampandrosoiko dia ny Atsimo fa indrindra i Betroka. Fitia mifamaly araka izany  ny an’i Andry Rajoelina sy Betroka. Izay fitiavana izay no mahatonga ahy hiasa mafy hoy izy. Efa nanova ny tantara isika Ary mbola hiaraka hanova ihany koa. Nambaran’i Andry Rajoelina araka izany fa hovaitsika ny tantaran’i Betroka ary izay tsy vita teto hatramin’izay dia hovitaintsika. Be dia be ny lalana natao pavé teto antapo-tanana. Misy amin’ireo efa lalana taminy 1ère République. Anisan’ny fanamby natao ny nanombohana ny RN13 miala Taolagnaro, Manambaro, Amboasary Sud hatreto Ambovombe. Io efa mandeha. Teto dia nanambara ny kandida fa miala Ihosy hatreto Betroka dia hatao goudron ihany koa. Betsaka ny mpitondra nifandimby fa iray ihany ny tena tia an’i Betroka sy hanavotana an’i Betroka. Efa ao ny tetibola hamitana anio tetikasa io.

Na iza na iza  kandida hoavy eto hampanantena dia iray ihany no hahavita anizany RN13 izany. Ny an’ny hafa fampanantenana poakaty. Tsy andrasana vita io fa ny lalana 5km mandalo eto antapo-tanana aloha no hatao voalohany hovitaina goudron. Na avadika ambony na avadika ambany dia iray ihany no hanavotra an’i Betroka. Ny asan-dahalo no nampalaza ny Atsimo. Maro ny interventions spéciales nataon’ny mpitandro n’y filaminana taty. Nihena be ny asan-dahalo izay no antony nametrahana ho velirano voalohany ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana. Izay no nametrahantsika ny Base Opérationnelle Avancée (BOA) izay efa ho vita 80%. Ny bureau commissariat eto dia efa taminy 50 taona lasa no natao fa isika izao no manamboatra bureau polisy ary efa andalam-pahavitana ankehitriny. Faniriako ny hitondra hazavana isaky ny tokatrano. Efa nanafatra parc solaire 1 Mgw isika ho famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Afaka 6 volana dia ho vita ny parc solaire eto Betroka. Isika efa manatanteraka fa ny hafa mbola mampanantena. Ny tokatrano rehetra eto Betroka ao anaty 6 volana manaraka dia hozaraina kits solaires azo avy amin’ny masoandro. tsy hovidiana io fa fanomezana. Manao fanamby amin’ny vahoaka eto Betroka fa fitia mivaly fitia. Raha 66% no azo teto taminy fifidianana 2018 dia vonona hanome 70 à 75% an’i Andry Rajoelina i Betroka aminy 16 novambra. Nanentana ny mponina haka kara-pifidianana sy handeha hifidy ary hiambina sy hiaro ny safidy ny kandida laharana fahatelo.

Anisan’ny nampalahelo ahy teto Betroka ireo renim-pianakaviana maro handeha hiteraka mandeha tongotra. Izay no nandefasako ambulance médicalisée sy nanamboarana CSB2 teto. Ny chiffre 3 dia midika fa efa tia an’i Betroka aho taminy lasa, ankehitriny, ary amin’ny ho avy. Efa manomboka ny EPP manarapenitra mahazaka ankizy 600 ary tsy maintsy hovitaina.

Ny Zavatra maharary anareo dia maharary ahy ihany koa. Betsaka ny faritra aty Atsimo tsy misotro rano raha tsy avy ny orana. Izay ny nandehanako taty raha vantany vao lany filoha aho. Kere sy mangataka fona no ao andoha rehefa miresaka Atsimo. Nanao fanamby lehibe na défi hitan’izao tontolo izao aho fa tsy mangataka intsony izahay fa vitanay ny manova ny tantara. Izay no nanaovana pipeline lehibe izay efa mandeha ny asa ankehitriny. Anisan’ny ezaka ihany koa ny fametrahana forages eny anivon’ny communes maro. Tiako i Betroka ary tsy maintsy ampandrosoiko. Hamboarina tahaka ilay efa vita ao Soanala ny tsena manarapenitra eto Betroka. Maro ny fotodrafitrasa mbola hataotsika fa izaho kosa dia hanakaiky be be kokoa anareo hoy i Andry Rajoelina. Nangataka moa ny tanoran’i Betroka fa tsy manana asa nefa maro ny manana bacc. Novalian’ny kandida laharana fahatelo avy hatrany moa izany fangatahana izany. Efa nanao ODOF dia ny fametrahana orinasa iray isaky ny distrika fa tsy maintsy hitondra fanampiana sy asa hoan’i Betroka manokana aho, hoy ny nambarany.

Avy teto Betroka dia nitodi-doha nihazo an’i Ihosy indray ny kandida Andry Rajoelina sy ramatoa Mialy Rajoelina vadiny ny folakandron’ity alahady 29 oktobra ity.

5 réflexions sur “BETROKA : MAFY NY FIFAMATORANA EO AMINY SY NY KANDIDA LAHARANA FAHATELO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *