Antsirabe : MILA TOHIZANA NY FAMPANDROSOANA NENTIN’I ANDRY RAJOELINA

Raha atao amin’ny teny tokana dia efa fief an’ny kandida Andry Rajoelina izany Antsirabe izany amin’izao fotoana izao. Mila tohizana ny fototra ny fampandrosoana efa napetraka ka hifidy kandida laharana fahatelo i Antsirabe amin’ny faha 16 novambra 2023.

TOY IZAO NY ANTSIPIRIHAN’NY MEETING IZAY NATAON’NY KANDIDA LAHARANA FAHATELO TAO ANTSIRABE.

ITY NY VIDEO MIRAKITRA IZANY

MEETING ANDRY RAJOELINA TAO ANTSIRABE

Tamin’ny 3 Ora sy 30 mn tolakandro no nigadona tao amin’ny kianjan’i Vélodrome Antsirabe ny Kandida laharana faha-3, Andry Rajoelina ny tokakandron’ny alahady 5 novambra 2023 . Minitra vitsy taorian’ny nahatongavan’ny kandida laharana faha-3 dia nirotsaka ny orana teto Antsirabe. Tsy nisy niala ny vahoakan’ Antsirabe fa niaritra izany orana mikija. “aiza izahay izay lena eo?”, izany no antsoantson’ireo vahoaka marobe nandoko volomboasary ny kianjan’i Vélodrome.


NISY NY FANOMEZANA TSO-DRANO NATAON’IREO RAIAMANDRENY HO AN’NY KANDIDA ANDRY RAJOELINA.

TSODRANO


” Andriamatoa Prezidà faly miarahaba anao ny vahoakan’i Vakinankaratra. Arahabaina tsy maty fo aman’aina. Tsy nisy ny nisento, tsy nisy nitaraina. Arahabaina fa notahian’Andriamanitra. Ka tratran’izao Asaramanitra. Ary mbola arahabain’ny Dadabe amin’ny fo miramirana mba hivelatra tahaka ny voahirana. Arahabaina Andriamatoa Prezidà. Salama Mme Rajoelina, ho ela velona Tompoko. Tompokolahy sy Tompokovavy. Tsy mety raha tsy mitodika ny lasa. Ny masonay nahita ny sofinay naheno fa hay laingabe ity oaioa ny olona fa ny masonay no nahita fa : tin’ny Vakinankaratra ny Prezidà Rajoelina ary tia ny vahoakan’i Vakinankaratra ianao. Ren’ny sofinay, hitan’ny ny zavatra nataonao ho an’ny taranaky Madagasikara. Tahaka ny inona ny hafalian’ny vahoaka? Koa ankehitriny, misaotra anao hotahian’Andriamanitra, ho mamy ho tian’ny fahendrena, ho ambinim-bola ho ambinin-karena hanasoavana an’i Madagasikara. Tsy ho dison’ny sambatra, tsy ilaozan’ny mananjara, …Enga anie ianao ho velona toy ny masoandro, toy taona tahaka ny volana, hamiratra tahaka ny kintana ary ho ravo toy ny tantely. Ery an-tanety ery isika ho vonim-bomanga, ery antsaha ery higoka ny ranomboahirana fa rehefa tonga any an-tranonareo mivady any dia higoka ny mamy mandra-maraina. Dia misaotra ny zava-bita Prezidà. Andriamatoa Prezidà, indro ianao nanao tahaka ny fary, tsy vitan’ny efa nijoro fa mbola nanome voa mamy ireo vahoakan’i Vakinankaratra, indrindra i Madagasikara. Nanao tahaka ny ankondro, nanalokaloka ny loha solan’ny Dadabe fa mbola nanome voa mamy indray. Indro ianao hiroso indray fa hilatsaka hofidiana amin’ny 5 taona manaraka. Vavolombelon’ny mpiasa ny bainga, milaza miara-mahita aho Prezidà …Raha ny marina tsy tokony mandatsa-bato intsony kanefa ny Lalampanorenana no manery anay Vakinankaratra handrotsam-bato fa dia ho hitanao eo ny hataonay.
Ankehitriny Andriamatoa Prezidà. Mitso-drano anao Vakinankaratra. Ho mamy ho tian’ny fahendrena ianao…
Raha ny Faritry Vakinankaratra Andriamatoa Prezidà dia zanak’omby ireo tsy hampianarin-domano, raha ny fitiavany anao, ary ny fitiavanao azy dia toy ny katsaka noladinim-bato. Velona miara-mifaly, maty miara-milevina. Tahaka ny lamban’ankoho ka aza matahotra ianao. Ny faty angamba no hisarahantsika. Dadabe aza mbola maniry hatrany amin’ny fahateranao hitondra an’ity Madagasikara ity nahafinaritra ny vitanao. Ho porofon’izany, ho mpirahalahy mianala isika, ianao tokinay, izahay tokinao. Ka marika fa tia an’i Vakinankaratra ianao, Vakinankaratra tia anao, izahay manohana anao, ianao mitarika anay. Indro ny tehina izay mpialoha lalana, mpanitsana ando ary fiankinana rehefa hariva atolotra anao.
Eny ary Andriamatoa Filoha, mirary soa anao, ho toy ny Ombalahy volavitan’ Andrianampoinimerina, eny ankijana ianao ravaky ny tendrombohitra ary any an’ala ianao tsy saringitim-bahy. Rehefa ao am-pahitra ianao tsy hotafihin-jiolahy. Rehefa alahamady ianao vao be-voninahitra. Mahefa bé Andriamatoa Prezidà. Hikapa hahita ny tokony dia mahaleova mahalasana.

KABARIN’NY KANDIDA ANDRY RAJOELINA

1- MANANA TANTARA MANOKANA ITY FARITRA VAKINANKARATRA ITY



Betsaka ny Faritra notsidihako manerana an’i Madagasikara. Fantatro fa ianareo mpifidy, vahoaka malagasy manerana an’i Madagasikara fa androany vao nisy orana ary hita sy voaporofo fa tsy miala an’i Andry Rajoelina, tia an’i Andry Rajoelina ny vahoakan’i Vakinankaratra.
Izaho ilay hoe tena tia amin’ny fo manontolo, raha tsy tianareo Aho efa niala teto ianareo. Ka na tonga aza ny orana dia mifankatia isika ary tsy misy mahasaraka.
Ity Vakinankaratra dia manana tantara manokana. Izaho hono tsy malagasy fa japoney, tsy gasy hono fa vazaha. Dia izaho, raha ny fanirian’ny hafa dia tsy ho tian’ny vahoaka Aho, raha ny fanirian-dry zalahy dia tsy tian’ny vahoakan’Antsirabe Aho. Voaporofo androany fa tia an’i Andry Rajoelina ary tin’i Andry Rajoelina ny vahoakan’ Antsirabe. Mafana ny fifandraisana, mafana ny ambiance, tonga ny tso-drano, tonga ny orana, tsy misy miala eo, tsy misy lena eo.
Izao no maha-record an’ity Antsirabe ity satria na dia avy aza ny orana dia tsy misy miala ianareo. Izao no mampiavaka an’Antsirabe, na iza milaza fa tsy tia an’i Andry Rajoelina, na iza manenjika dia isika tsy maintsy mandroso, isika tsy maintsy mandresy.
Izaho dia lazain- dry zareo fa tsy malagasy, tsy misy afaka hanala ny fitiavan-tanindrazana sy ny ra mikoriana ato anatiko tsy maintsy mampandroso an’i Madagasikara ary tsy maintsy mampandroso an’Antsirabe. Ny mampiavaka an’Antsirabe dia Izaho : Izaho tsy hoe malagasy fotsiny fa teto Antsirabe aho no teraka, teto nilatsahan’ny tavoniko fa tsy tany Comores, na China, na France…..
Ny isaorako anareo eto Antsirabe dia izao : efa nandalo teto matetika Aho, efa nanao fampielezankevitra teto aho tamin’ny 2018, fa androany : tsy mbola nisy fanehoam-pitiavana lehibe tahaka izao nasehoanareo teto Antsirabe hatramin’izay ka hatramin’izay. Io numéro 3 io dia misy dikany io. Tamin’ny 2018 rehefa nilatsaka kandida ho Filoham-pirenena aho dia nahazo ny numéro 13. Dia noraisiko ny tenin’ny Soratra Masina Korintianina 13:and-13 dia rehefa naka ny numéro aho tamin’ity dia numéro 3 no azoko. Ny voalazan’io Korintianina Etsy ambony io dia hoe : ” ankehitriny dia ireto Telo ireto no mitoetra. Tao anatin’io tsy niteny ny Baiboly hoe : ireto 5 ireto na ireto 8 ireto na ireto 13 ireo fa ireto 3 ireto no izy. Ankehitriny (Izzy no mahatonga anareo eto koa) dia ireto Telo ireto no mitoetra : ny Finoana, ny Fanantenana ary ny Fitiavana, fa ny Fitiavana no lehibe indrindra. Izay fitiavana izay, izay fitiavana ny Firenena izay, izay fitiavana ny vahoaka malagasy izay. Sy ny Fitiavana ny vahoakan’ i Vakinankaratra sy vahoakan’Antsirabe izay no mbola mahatonga ahy ho kandida Filoham-pirenena androany.
Matoa Aho nilatsaka ho kandida Filoham-pirenena dia efa naveriko ombieny ombieny fa tsy fahefahana no tadiaviko, voninahitra no tadiaviko, tsy hanakorontana ny Firenena no tadiaviko fa hampandroso ny Firenena sy i Vakinankaratra ary Antsirabe. Raha tena tia an’ity Vakinankaratra ity, raha misy tena tia an’ity Antsirabe ity dia milaza aminareo aho fa tsy faharoa fa voalohany ny fitiavako anareo. Tsy mbola nisy nanao kianja lehibe ohatra izao teto hatramin’izay. Rehefa tonga teto aho dia nanao fampanantenana taminareo : fa tsy ny any Antananarivo ihany, tsy ny any Toamasina ihany no hanaovana kianja fanatanjahantena fa izay no nanaovantsika izao kianja izao satria mendrika fampandrosoana, mendrika kianja manarapenitra toy izao ny vahoakan’Antsirabe. Tsy misy lena sady tsy misy mitsoaka eto. Ny zavatra mitranga eto Antsirabe androany dia toetra tokony ananan’ny vahoaka malagasy iray manontolo. Hoe : na inona hidona, na inona hitranga dia isika tsy maintsy mandresy tompokolahy sy tompokovavy. Mahatsiaro manokana n’y vahoaka any Mahanoro Aho satria izahay tokony hiazo an’i Mahanoro fa noho ny hatsian’ny Toetr’andro (nisy zavona bé) dia tsy afaka nanohy ny sidina izahay fa tsy maintsy niverin-dalana nefa feno vahoaka niandry anay tany. Hoy izaho hoe misaotra an’Andriamanitra ary tonga eto Aho miaraka amin’ny vahoakan’Antsirabe.
Tena tsapako fa hanova tantara ny vahoakan’i Vakinankaratra, hanova tantara ny vahoakan’Antsirabe. Betsaka ny Filoham-pirenena nifandimby fa vitsy no tena manakaiky, manasoa ary tena tia ny vahoaka. Fantatrareo fa tia anareo ny Filoha Andry Rajoelina ka izay no tsy maintsy hanaovana fampandrosoana aty Vakinankaratra sy Antsirabe. Ny Filoha Ratsiraka Didier no nanao Oniversite isaky ny Faritany teto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao dia betsaka ny ankizy afaka bakalorea fa tsy afaka miditra intsony any anaty Oniversite. Ny zavatra misy dia 90.000 no ankizy afaka bakalorea isan-taona nefa 40.000 ihany no mpianatra zakan’ny Oniversite. 50.000 izany tonga dia tsy mianatra na lasa mivangabao. Raha nahavita Oniversite isaky ny Renivohi-paritany 6 ny Filoha Didier Ratsiraka. Ny fanamby nataoko dia hanangana Oniversite isaky ny Renivohi-paritany miisa 23 manerana an’i Madagasikara aho. Eto Antsirabe nananganantsika Oniversite satria mendrika Oniversite mendrika, tsara, raitra ny mpianatra eto an-dRenivohitra Vakinankaratra. Fa isika misy mpisompoatra indraindray. Rehefa naorina ny Oniversite dia nisy nitoraka dia vaky ny fitaratra, tsy vitan’izany fa nangalarin’izy ireo koa ny varavaran’izany trano natao Oniversite izany ka kivy ny mpandraharaha (entrepreneur) nisahana ny fanamboarana izany. Tsy nety nanao intsony izy. Fa izao no lazaiko anareo araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe : ” Izay natombokao tsy maintsy hofarananao”. Tsy faranantsika, tsy maintsy hovitantsika ny fananganana izany Oniversite izany eto Antsirabe. Rehefa vita izany dia omena ny vahoakan’Antsirabe. Misy amphi-theatre, misy efitra marobe ao….

2 -HANAKAIKY KOKOA ANAREO AHO …


Betsaka ireo mandeha tongotra tonga manatrika ny fampielezankevitra. Fa izao no zavatra tsapako sy hitako. Efa nisy nanohana Aho teto Antsirabe fa hitako hoe: miha-mitombo ny fitiavan’ny vahoakan’Antsirabe ahy. Na io Raiamandreny bé, misy efa 80 taona sy 75 taona. Ny zavatra tsapako ihany koa dia ny renim-pianakaviana, ny vehivavy ary ny fikambanam-behivavy Dia tena tia an’i Andry Rajoelina. Fa ny tanora ihany koa dia betsaka no tena tia an’ny Prezidà Rajoelina. Tao anatin’ny 5 taona voalohany Aho dia tsy maintsy nanao foto-drafitrasa betsaka isika entina nanatrarana ny fahatarana nisy teto amin’ny Firenena. Fa amin’ny 5 taona manaraka Dia hanakaiky kokoa anareo tanora, Vehivavy, fikambanam-behivavy… ka hanampy anareo aho. Gaga satria betsaka ny tanora sy fikambanana tanora sy Vehivavy nilaza fa hanohana ahy. Rehefa nanontaniako ny Antony izy ireo Dia nialaza fa : betsaka ny Filoha nifandimby sy kandida ho filoha fa ianao no manakaiky ny tia ny tanora, ny mpanao fanatanjahantena, ianao no tinay, ianao no record-nay ka ianao no tohananay. Isan’ny manohana ny Kandida Andry Rajoelina ny mpanao “Novegasy”.

PARTIE III
Hanampy ny tanora ny Kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina. Eto Antsirabe eto dia misy ny foibem-piofanana lehibe indrindra misy eto Madagasikara, izay efa voatsangana ao mba ahafahan’ny tanora miofana manao mahandro sakafo, misehatra amin’ny sarimihetsika, studio, fianarana mozika..izay no hanampiako anareo tanora. Izaho akaiky sady tian’ny tanora ka hanampy azy ireo. Ny Filoham-pirenena ilain’ny malagasy dia filoha tia sy manakaiky azy. Filoham-pirenena tanora, mavitrika manana vina no ilain’ny malagasy. Io jerena fotsiny amin’ny maso dia fantatra. Rehfa tena tia ianao dia tena tia. Rehefa mampandroso dia mandroso. Anankiray ihany no filoha afaka mampandroso an’i Madagasikara.

3-NAMBOARINA NY LALANA EO AMBOHIMENA..


Tsy mbola nisy vahoaka tahaka izao hatramin’izay. Mamporisika hiasa betsaka kokoa ho an’Antsirabe izao fahamaroanareo izao. Nandalo teny Ambohimena teny Aho sy Rtoa vadiko nahita ny haratsian’ny lalan’Ambohimena ka nanome baiko ny hanarenana an’io haingana satria tsy mendrika an’Antsirabe ny manana lalan-dratsy. Nasiantsika tonga ao ny orinasa Colas ary ho vitæ tsy ho ela izany. Tena mijaly Antsirabe. Ny mpianatra any amin’ny Ceg, betsaka no tsy manana efi-trano fianarana ka betsaka no tsy mianatra na mifandimby maraina sy hariva. Raha nanangana Epp aho manerana an’i Madagasikara dia hoy aho hoe : hatsangako eto ny Ceg manarapenitra lehibe indrindra, mahazaka mpianatra 1200. Ao Mahazoarivo no misy an’izany. Raha mbola filoha, tsy mbola nisy Filoha tia an’Antsirabe tahaka an’i Andry Rajoelina. Io isa telo io dia misy dikany betsaka. Ny dikany voalohany dia hoe : “ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy” . Teto aho no teraka ka izany Antsirabe izany efa tiako tamin’ny lasa, mbola tiako anio ary mbola hotia amin’ny ho avy. Ny zavatra rehetra ataoko dia tsy maintsy ankinina amin’Andriamanitra ary zavatra rehetra angatahahiko dia tsy maintsy tanteraka avokoa. Fantatro ny angatahako amin’ny 16 Novambra ary tsy maintsy tanteraka io. Io isa 3 io dia Trinité Masina. Izany hoe : “amin’ny anaran’i Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”. Tsy maintsy tanteraka ny fangatahantsika. Tsy maintsy ho lany Filoham-pirenena hampandroso an’i Madagasikara.

4 – HAHAZO KIT SOLAIRE MAIMAIMPOANA


Hamboarintsika tahaka ny lalana Rn 7, mamakivaky ny tanànan’Antsirabe, ka hatrany Mandaniresaka ny lalana rehetra eto an-tampon-tanàna Antsirabe. Satria mendrika lalana tsara sy fiainana mirindra ny vahoakan’Antsirabe. Amin’ny andro sarotra no ahafantarana tena namana. Niseho ireny rivodoza ireny, nandeha ireny COVID ireny, Tonga teto aho nanampy anareo. Nanampy ny tokantrano tena sahirana nanome vatsy tsinjo sy tosika fameno. Tena gaga amin’ireny olona nahazo fanampiana manerana an’i Madagasikara ireny hatrany Atsimo ireny aho fa misy amin’izy ireny no sahy miteny hoe : ” raha tsy lany i Andry Rajoelina dia aleoko maty mamono tena. Rehefa nanontaniana ny Antony hitenenany izany izy dia namaly hoe : rehefa tena sahirana, tsy manan-kohanina dia i Prezidà nanatitra vary amin’ny gony, nanome vatsy tsinjo ary tosika fameno”. Hotohizana sa tsia ireny? Izao izany no ataontsika, raha ohatra ka fianakaviana 5.000 no nisitraka ireny teto Antsirabe dia ataontsika 10.000 fianakaviana izany ao anatin’ny 5 taona manaraka. Raha 40 tapitrisa DOLARA no vola azo tamin’ny 5 taona lasa nomena ny fianakaviana marefo sy sahirana dia vitako ny nandresy lahatra ny mpamatsy vola, satria manavanana ahy izany, dia nahazo 250 Tapitra DOLARA isika anatin’ny 5 taona manaraka. Hahazo betsaka amin’izany Antsirabe.
Rehefa nitety an’i Madagasikara aho dia betsaka ny tokantrano mbola tsy manana jiro elekrisité eto Madagasikara. Izao no ataontsika ao anatin’ny 5 taona manaraka. Misy amin’ireo olona nanontaniana no mampiasa labozia ka mahatratra 20.000 Ariary/volana ny laniny amin’izany. Raha nanao foto-drafitrasa betsaka tamin’ny 5 taona lasa dia tsy maintsy atao ireny satria ireny no hanatrarana ny fahatarana hatramin’izay. Ao anatin’ny 5 taona manaraka dia tsy maintsy atao tonga isaky tokantrano ny fandrosoana. Izao no ataontsika : izay tsy manana jiro elekrisité rehetra dia hozaraiko “kit panneau solaire avokoa” rehfa lany aho. Antsirabe 1 sy 2 no atao an’izany. Hitondra fahazavana isan-tokantranona ny prezida Andry Rajoelina rehefa lany Filoham-pirenena Aho.

5 – FANAMPIANA NY TANORA


Tsy maintsy manampy ny tanora. Izay no Antony nandefasako omby Vava miisa 125 nalefa taty aminareo. Amin’izao fotoana izao dia efa manana zanany miisa 11 3 izany amin’izao fotoana. Izay ihany koa nanaovako n’y “titre vert” . Nisy ankizy maromaro no nomena fiofanana momba ny fiompiana sy fambolena. Dia nomena fanampiana izy ireo ka nozaraina tany mirefy 1 Ha avy, nanaovana trano, nomena vola, dia nomena omby. Izay ilay zavatra tiantsika atao. Ankizy maromaro no nahazo. Amin’ny taona ho avy mbola hisy entina hampisondrotana ny farim-piainareo. Izay ihany koa no nanaovana ny karatany satria ny tany eto Antsirabe dia mila zaraina ho an’ny mponina izay te-hivoatra. Nanao trano maromaro ihany koa isika isan’izany ny trano mora. Hanao tanàna vaovao isika, asiana sekoly, hanao Csb 2 isika, …Ianareo fantatro fa tia ahy Ary ianareo koa tian’i Andry Rajoelina.
Mbola hanampy ny tanora isika. Mbola marobe ny tsy an’asa ka hanangana orinasa maromaro hanomezana asa azy ireo eto Antsirabe isika. Amin’ny 16 Novambra 2023 Dia mila mifidy isika rehetra hanova ny tantaran’i Madagasikara ary indrindra indrindra ny tantaran’Antsirabe. Rehefa mifidy isika dia mila araha-maso tsara ireny biraom-pifidianana ireny. Mila mifidy ary atao marobe mba hilazana marina fa hanova ny tantaran’i Madagasikara.

6- NDEHANA MIFIDY AMIN’NY 16 NOVAMBRA


Mirakitra ao am-poko ny zavatra nitranga teto Ary tsy afaka ato an-tsaiko. Na inon-kidona, na inon-kihatra, na orana mikija, na ataontsika hoe : misy tafion-drivotra mafy be dia teo ianareo. Hiaraka amiko ianareo, izaho koa hiaraka aminareo hampandroso an’i Madagasikara. Raha tianareo hiverina aho dia mifidiana daholo ianareo amin’ny 16 Novambra. Rehefa lany aho dia miverina eto indray.

1 581 réflexions sur “Antsirabe : MILA TOHIZANA NY FAMPANDROSOANA NENTIN’I ANDRY RAJOELINA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *