ANTENIMIERANDOHOLONA : Fambolen-kazo

Kaomina Tsaramasoandro, Distrikan’Ankazobe no nisafidian’ireo fianakaviamben’ny Antenimierandoholona izay niarahana tamin’ireo loholon’i Madagasikara ary notarihan’ny Filohany Herimanana RAZAFIMAHEFA

70 000 zanakazo novolena tamin’ny velaran-tany 50 ha , ilaina fanasiana zezika ny voly hazo hatao satria nahitana tombony betsaka tamin’ny fotombohan’ny hazo novolena izany hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Herimanana RAZAFIMAHEFA , izay efa nahatratra iray metatra sahady ny haavony novolena tamin’ny taona lasa, izany hoe nahomby hatrany amin’ny 95 % ny fahatsaran’ny voly natao.

Samy nitondra fanentanana sy famporisihana amin’ity fambolen-kazo ity ny filohan’ny vvizay nankasitraka ireo mpanohana tamin’izao ezaka izao sy ny Minisitrin’ny tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, Ramatoa Marie Orléa VINA, nampatsiahy ny tanjona hoentin’ny fitondrana , izay efa anatin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA dia fandrakofana ala manerana ny nosy

Ny mponina eo kaominina no hikolokolo ireo hazo novolena ny Ministeran’ny tontolo iainana kosa no manara-maso sy manampy ara-teknika ,zanakazo maro karazana no novolena toy Baobab, hazomena, hazo fihinamboa

Ankoatra ny ireo mpiasa sy loholona eo anivon’ny Antenimierandoholona, dia tonga teny Tsaramasoandro nanatanteraka ny fambolen-kazo ireo mpanohana ara-bola sy teknika toy ny solotenan’ny ONU SIDA eto Madagasikara sy ny solotenan’ny Banky Iraisam-pirenena ,ny Ambasadaoron’i Alemaina, Indonezia, Inde, Torkia ary Royaume-Uni.

Ankoatra ny tao amin’ny Tsaramasoandro dia nitsidika ny tao Kiangara ireo delegasiona niaraka tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona.Ity toerana ity izay ahitana velaran-tany hanatanterahana fambolen-kazo vaovao , nisy fambolena zanakazo miisa 20 000 fototra ary 50 000 fototra tao Manerinerina.

📌Andry Rakotonirainy

#ledefi_madagascar

#fambolen_kazo

👉Araho hatrany ny vaovao ao anatin’ny https://ledefi.mg/

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *