Vono olona tany Esira – Faritra ANOSY: NIJERY NY FOTOTRY NY OLANA NY GOVERNORA

Olombelona miisa 6 no maty vokatry ny fifandonan’ny samy sivily tao Esira , ny sabotsy teo.

Ny anton’io dia vokatry ny disadisa nisy teo amina tokantrano iray efa lasibatry ny fanafihana. Ny olona 5 amin’ireo maty ireo dia avy eo an-tanan’i Esira avokoa. Ny iray kosa no avy amin’ireo nanao fanafihana. Nisy olombelona hafa naratra maromaro koa nandritra ny fifandonana.

Naheno izany ny Governran’ny Faritra Anosy ka nanao fijerena ifotony nandaminana ny raharaha. Niroso tamin’ny fanangonam-baovao hijerena ny anton’ny olana izy sy ny OMC notarihany. Nizaka ny mafy ireto olona avy ao Esira ireto satria sady namoy havana no simba fanana. May ny trano …Fantatra fa tsy maintsy hampiharina an’ireo nandika lalana ny lalana velona. Hojerena kosa izay fomba tsy hiverenan’ny tranga toa izao.

Sary : Faritra Anosy

#esira

#ledefi_madagascar

👉Araho hatrany ny vaovao samihafa ao amin’ny https://ledefi.mg/

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *