Antanambaonamberina Mandritsara : FOKONOLONA MIISA 100 NOTAKIANA VOLA SY NORAHONANA…


Mampiaka-peo ankehitriny ireo Fokonolona nakan’ny Miaramila sy Sefo fokontany vola am-pitaka tao Mandritsara Kaomina Antanambaonamberina.
Ny volana mey sy ity volana jona 2024 ity no nisehoan’izany fakana vola izany.

Tamin’ny herin’andro lasa teo iny dia nidina ifotony ny namana mpanao gazety roa lahy avy eo Mandritsara nanadihady ny tena zava-misy marina mikasika ny raharaha fakana vola ankeriny naton’ireo miaramila sy ny ekipan’izy ireo tamin’ireo olona niharan’ny fitakiana vola, izay tao amin’ny fokontany maromaro ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Antanambaonamberina.

Nandritra ny fidinana ifotony no namantarana fa tsy ireo miaramila irery no mahavita manao ny fitakiana vola izany fa miara miasa amin’izy ireo ihany koa ireo mpitondra eny ifotony toy ny Ben’ny tanàna sy ireo Chef fokontany maromaro ao amin’ity kaominina ity.
Manodidina ny 30.180.000 ar na valo alina sy iray hetsy sy telopolo tapitrisa Ar ( 150.900 000 fmg) no vola ampahany efa voarain’ireo miaramila sy ireo mpiray tendro amin’izany ary efa voarakitra an-tsoratra , fa mbola misy kosa mbola tsy vao rakitra antaratasy .
Satria araka ny tenin’ ireo fokonolona natao fanadihadiana dia, mbola misy olona ho takiana vola fa mbola tsy azo. Manodidina ny olona 50 latsaka eo ho eo.
Toy izao ny fomba fiadin’ireo miaramila : Milaza izy ireo fa iraka ny filohan’ny Repoblika handeha hampandry tany. Ary miteny ihany koa izy ireo fa afaka mamono olona avy hatrany raha tena voamarina fa olon-dratsy ny olona iray ary tsy azo hidian-kevitra sy tsy misangisangy mihitsy ,hoy ireo fokolona nilaza ny marary aminy.
Manapoka basy in-droa ireo miaramila mialoha hiditra ny tanàna . Ka ny filohan’ny fokontany no mijery sy mandray ireo anaran’olona manam-bola sy manan-karena amin’ny faritra feheziny izay hitakina vola , araka ny fijoroana vavolombelona azo tamin’ireo victimes .


Izy ihany koa no manao ny sora-bola efainy ireo olona tafiditra ao anatin’ny lisitra, atao hoe olon-dratsy hono raha tsy izay dia ho vonoina na kapôhina : ireo no terme fampiasain’ireo miaramila mitaky ny vola ankeriny amin’ireo olona .
Voatondro ho miara-miasa aminy koa ny Ben’ny tanàna ary ny vola azo dia mizara araka ny fanazavan’ireo fokon’olona any an-toerana .
Manodidina ny 350.000Ar hatramin’ny vola 20.000.000Ar no vola takin’ireo amin’izany.
Noho ny fahatahorana fa ho faty ny olona na fianankaviany dia, voatery mijery vahaolana, ohatra amin’izany misy mandafo tanimboly toy ny taniny jorofo ,lavanily,kafe ,tanimbary sns…. ,ary hatramin’ny omby sy tafiditra mitrosa tsy fidiny mihitsy noho ny avotr’aina, raha tsy izay dia voakôpoka na fahafatesana no miandry ka ny fitambaran’ ireo vola voataky dia efa maheriny 60 000 000 Ar na 300 000 000 fmg .

Mametram-panotanina ny eto hoe raha tena olon-dratsy tokoa ireo olona manodidina 100 isa latsaka ireo fa maninona no tsy nakarina natao fanadihadiana eto Mandritsara ka atolotra avy hatrany ny fitsarana ka ity farany no manam-pakankevitra. Kanefa nana-pakevitra irery tany ho any izy ireo araka ny fanazavan’ireo fokonolona izay nijoro vavolombelona.

Etsy andaniny , dia, nilaza handray andraikitra farany izay haingana ireo tompon’andraikitra manolona ity raharaha ity rehefa nanao tatitra ny mpanao gazety na ny eto Mandritsara na any Antsohihy samy nilaza izany.
Zavatra hangatahin’olona dia ny hamerenana ny vola na ampahan’izany fa tena sahirana ireo olona ireo , ka manaitra ny ministera voakasika ity raharaha ity mba handray fepetra hentitra sy haingana mba hisorohana ny disadisa mety hateran’izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *