Ankaraobato – Fikambanana AFM: ZAZALAHY KELY MIISA 65 NO VITA HASOAVANA FAOBE

Tontosa io maraina io teny amin’ny Kaomina Ankaraobato ny fanaovana hasovana faobe nokarakarain’ny Fikambanana AFM. Zazalahy kely miisa 65 no vita hasoavana nandritra izany. ” Tohin’ny asa sosialy efa nataonay tety amin’ny Kaomina Ankaraobato ity hetsika ity. Ny hampihena ny fahasahiranan’ny Ray aman-dreny no anton’izay”, hoy ny Filohan’ny Fikambanana AFM Ankaraobato ANDRIANJATOVO Perle Aimée.

Ankoatra ity hasoavana faobe ity dia mikarakara hetsika ara-panatanjahantena hanampiana ireo tanora ao Ankaraobato koa ny AFM. ” Nanolotra terrain hanaovana Pétanque ho an’ny tanora koa izahay. Ankoatra izay dia misy koa ny fanofanana arak’asa ary fampiofanana

JUDITH R.

arak’asa maro”, hoy hatrany ny fanazavana.

1 205 réflexions sur “Ankaraobato – Fikambanana AFM: ZAZALAHY KELY MIISA 65 NO VITA HASOAVANA FAOBE

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *