ANDRY RAJOELINA TAO AMBATORIHA BEALANANA

Kandida laharana fahatelo tao amin’ny Kaomina AMBATORIHA – Distrika Bealanana : HAMBOARINA GOUDRON ANTSOHIHY KA HISOSA MANDALO BEALANANA – AMBATORIHA – AMBATOSOA – AMPANDRANA – ANTSAHABE – ANTSOHIHY ….EFA HITA NY FINANCEMENT MOMBA IZANY

Tsy namelan’ny kandida laharana fahatelo mihitsy androany raha tsy tonga tao amin’ny kaomina Ambatoriha – Distrika Bealanana izy. Marobe ireo olona efa tsindrian-daona niandry azy tany. Marihana moa fa 45 minitra amin’ny fiara miala an’i Bealanana no misy azy io.

Toy izao ny kabary nataon’ny kandida laharana fahatelo Andry Rajoelina. “Tsy hisy kaomina hadino intsony ary tsy hisy distrika hadino intsony, hoy ny toky nomeny. “ Raha ho aty Sofia ny tenako dia nandalo Bealanana dia fantatro fa miandry ahy sy tia ahy ary indrindra fitiavako anareo Ambatoriha dia tonga eto aho”. Ny antony hatongavako eto raha misy kaominina na distrika anisany mamboly vary betsaka dia anisany i Bealanana sy Ambatoroiha.

Tsy maintsy ampiana manokana ianareo mba hampiakatra ny faripiainanareo sy hamoaka ny vokatrareo eto. Tamin’ny 2018 aho no tonga teto dia hoy ianareo mba ampio izahay fa ratsy lalana Ambatoriha Bealalana. Mahafinaritra fa efa vita sy misosa izany lalana izany.

 Ity distrika Bealanana sy eto dia mitoka- monina. Misy lalana tena mila amboarina dia miala eto mankany Antsohihy.    Hatramin’ny 1960 tsy mbola nisy nanao iny lalana iny noho izany tonga eto aho hilaza fa ny ankamaroan’ny  lalana ao Bealanana ao efa vita pave.

Taloha tsy misy tribonaly dia lasa mankany Antsohihy. Zao efa nanao tribonaly isika dia mankao Bealalana inareo raha hanao taratasy.

 Fahasalamana tsy misy bloc opératoire na hôpital hitsaboana na hopitaly andidiana. Hatramin’ny 1960-2019 nitondrako 18 no hopital Chu naorina tao anaty 60. Tao anatin’ny 5 taona nitondrako nefa 28 vitantsika ka isany nahazo i Bealalana.

Raha namboariko ny Lalampirenena natao pavé sy nopasohina eto Ambatoriha – Bealalana. Nataoko koa Ambilobe VOHEMAR, rn9, rn44, natomboko ny autoroute tana- toamasina dia manontany ianareo hoe mba ahoana izahay. Efa hitako ny financement. “Amboarintsika goudron – Antsohihy ka hisosa     mandalo Bealanana, Ambatoriha, Ambatosoa, Ampandrana, Antsahabe, Ankazobetsay , Antsohihy.   

  Ny fampandrosoana tsy maintsy ataontsika raha tsy nisy hatrizay”.

114 réflexions sur “ANDRY RAJOELINA TAO AMBATORIHA BEALANANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *