AMBILOBE : VONONA HIFIDY NY KANDIDA N°3

Nitohy tao Ambilobe ny fampielezan-kevitry ny kandida laharana faha3. Vory marobe ny vahoaka ary tsy omby ny kianja. Niresaka nivantana ny Kandida N°3 sy ny vahoaka. Vonona ve ianareo hifidy ahy ho Prezida anatin’ny mandat manaraka. Vonona ! hoy ny antsoantson’ny vahoaka.

Andeha arahatsika amin’ny antsipirihany ny kabary sy ny resaky ny Kandida Andry Rajoelina – tao Ambilobe.

FOTODRAFITRASA..

Betsaka ny fotodrafitrasa izay tsy nananareo hatramin’izay. Izay no nanaovana hôpital. Ny hopitaly  lehibe teto Madagasikara hatramin’izay dia miisa 15. Ary tsy mba nanana  hopitaly lehibe ianareo teto Ambilobe. Nanaovantsika hopitaly lehibe manerana an’i Madagasikara. 15 ny hopitaly vita teto Madagasikara nanomboka ny 1960 – 2019. Fa isika tao anatin’ny  4 taona sy tapany izay , hopitaly 28 no nataontsika. Tsy nisy filohampirenena nanamboatra hopitaly be indrindra ankoatrantsika teto Madagasikara. Nahazo hopitaly i  Diego- Ambatondrazaka- Ambositra- Farafangana- Manadriana- Vohibato fa tsy adinoko ianareo eto Ambilobe. Nanaovana hopitaly manarapenitra ianareo. Satria laharampahamehana izay. Rehefa vita izany dia aseho anareo fa toy ny hopitaly ao Morondava. Misy bloc opératoire – pédiatrie hoan’ny zaza. Mikasika ny fampianarana efa tamin’ny andron’i Tsiranana no nisy sekoly Epp natao teto. Zao isika nanamboatra Epp anisany lehibe indrindra eto Ambilobe. Noho ny fitiavako an’Ambilobe.

TRIBONALY…

Anisany  fampandrosoana nampijaly anareo koa dia ianareo taloha tsy nisy tribonaly. Tsy maintsy mandeha lavitra any Diego. Hanao casier judiciaire tsy maintsy mandoa frais lafo. Mandeha 135 km. Izay no antony nanaovantsika  tribonaly. Tsy nisy nanao tribonaly teto fa  tsika zao no nanao an zany. Mampandroso isika.  Volana maromaro zay niaina anaty haizina  ianareo satria tapatapala ny jiro.  zao isika nametraka  parc solaire goavana  tsy hisian’ny  délestage. Bye bye ny haizina. Za hitondra anareo amin’ ny  fahazavana , aminn’ny fampandrodsoana fa tsy hitondra any  amin’ny  sakatsankana mihitsy. Mbola misy mitabataba any. Dia hoy  aho hoe  akombony vavanao fa izahay  tsy maintsy mandroso.

HANOME ASA ANAREO TANORA

Rehefa miasa isika misy foana manenjika ary ny manenjika toujours afara. Ny antsika nimero 3 iny. Ny lasa ankehitriny ary ny  ho avy. Ny ho avy dia tsy  maintsy mbola mandresy isika ary hanavotra an’i Madagasikara sy hampandroso an’Ambilobe. Betsaka ny zavatra efa vita sy nataontsika na teto aza. Anisany ny  pave anjaridaina, ny lalana  goudron Cnaps ary nodiovona ny tanana ka  nanaterana camion benne. Dikan’izany  manomboka izao ny  5 ans manaraka  dia inona no atao? efa vita ny lalana, ny fotodrafitrasa samihafa, ny  sekoly, ny  hopitaly, ny  Epp. Manome asa anareo tanora amin’ zay no atao amin’ ny 5 taona manaraka. Hanaikaiky kokoa anareo renim-pianakaviana tsy an’asa hanampy anareo aho. Hanampy ny  tokantrano sahirana. 

HAMETRAKA USINE GOAVANA

Tonga teto aho tamin’ ny 8 mars  ary nanambara fa hametraka Usine ngezabe hamokatra éthanol isika. Nandalo ny covid dia nikatso ny usine. Amin’izao efa nomena vola tamin’ny tetikasa Fihariana ireo tantsaha mpamboly. Efa mamboly fary. Efa miainga ireo entana nafarana ary efa tonga ao Diego ny fametrahana ny usine ngeza indrindra eto Ambilobe hanao ethanol. Efa anaty hangar ary afaka volana vitsy dia hisokatra ny usine. Tsy maintsy mamboly fary isika ary efa miroso ny fambolena. Ao Betsiaka ao koa misy toerana misy rano afaka hitsaboana ireo marary. Noho izany dia nametrahana centre thermal goavana be ao. Ao Antsirabe no misy an’io izao fa kelikely. Fa isika no hamboatra an’io goavana be io satria mila asa ny tanora ary hasiana hotely goavana be ao anatin’ny centre thermal. Nahazo tsodrano amin’ ny zanahary isika fa tsy maintsy ho lany amin’ny 9 novambra.  Isika mino fa tsy maintsy ho tafita i Madagasikara ary i Andry Rajoelina no hanavotra an’i Madagasikara. Noho fitiavan-janahary antsika dia nomeny tsodrano isika.

ORANGE HATRANY…

Tsy miovaova loko isika. Orange ihany no anatin’ny fontsika. Noho izany ny fandaminantsika dia ianareo izay manohana, ianareo izay hiaraka amin’ i Andry Rajoelina, dia misokatra ny birao maromaro dia omena karatra mba fantatro hoe iza daholo no miaraka amin’i Andry Rajoelina rehefa hamorona asa isika,  fa ianareo no hatao priorité. Mba hiaraka hientana isika hampandroso an’Ambilobe. Mba hahafahantsika mamaritra ihany koa fa raha 75% tamin’ny 2018, mangataka 85% aminareo aho amin’ity 2023 ity.

328 réflexions sur “AMBILOBE : VONONA HIFIDY NY KANDIDA N°3

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *