Ambatondrazaka : NANAPOROFO NY FITIAVANY AN’i ANDRY RAJOELINA

Vahoaka marobe no nandray ny kandida laharana fahatelo Andry Rajoelina teto amin’ny Kianja Rasolonjatovo Ambatondrazaka androany alakamisy 9 Novambra 2023.
” Tena tsapako sy hitako fa noporofoin’ny vahoakan’ Ambatondrazaka androany fa tena tia ny Filoha Andry Rajoelina ianareo. Mahay mamaly fitiavana ny vahoakan’Ambatondrazaka” , hoy Andry Rajoelina.

Tsy mbola nisy fanehoam-pitiavana tahaka izao, hoy ny Kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina- raha nanokatra ny fandraisam-pitenenany teto amin’ny Kianja Rasolonjatovo Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao.

Ry vahoaka Ambatondrazaka mahay mamaly fitia : Izay fitiavana izay no entitsika hampandroana an’Ambatondrazaka sy Madagascar iray manontolo.

Be de be ny Filoha nitondra ity Madagascar ity fa anakiray ihany no sahy nanao velirano dia Andry Rajoelina izany. Ianareo teto no isan’ny nanaovako velirano tena izy ary tanteraka avokoa izany.
Bedebe no nampanantena anareo hanao ny Rn44 fa tsy nahavita. Fa isika no nahavita azy.

Tsy ny rn44 ihany no vita fa iny lalana aérodromes iny koa. Jereo ilay lalana fa tena raitra izany ankehitriny.

Io fitiavana io tsy misy fihatsarambelatsihy. Hitako amin’ny masontsika izany.
Tsy manavakavaka aho na inona finoana na Protestanta na Jesosy Mamonjy na Silamo na avy aiza enao na avy aiza.

Ho an’ny eto Ambatondrazaka dia tsy ny Rn44 ihany no vita fa vita koa ny pont Manaingazipo. Efa nataontsika Pont Fihariana ny anarany izao ary bye bye Manaingazipo, bye bye ny fotaka sy ny ranobe.

Isika tsy maintsy mandresy. Betsaka ny kandidat fa isika no efa vonona indrindra. Ary rehefa nanome top ny Hcc dia efa paré isika ary tsy maintsy tonga amin’ny ligne d’arrivée.

KANDIDA TOKANA MANANA TRAIKEFA
Vita iny Rn44. Ny fitondrana firenena dia azo oharina amin’ny fitondrana avion ka mila pilote mahay sy manana traikefa. Isika no efa manana traikefa hitondra firenena. Isika no kandida tokana manana traikefa hitondra firenena.
. Ekenao ve oe olona tsy manana permis akory no hitondra anao amin’ny fiara ? Tsia ny valiny.
Ekena ve oe olona tanora mahavita azy hitondra ny firenena ? Eny hoy ny vahoaka sady nananga-tanana sy nanao ny mariky ny ratsan-tanana telo.

Nambaran’ny filoha indray fa nanorina fotofrafitrasa goavana izy san’izany ny kianjan’ny rBarea , lehibe indrindra aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana. Isan’izany koa, dia namboarintsika ny lalambe migodana miala ao Antananarivo mihazo an’i Toamasina. Efa manomboka ny asa ary adin’ny 2 monja dia tonga any toamasina fa tsy adin’ny 12 ora intsony.

Handalo ao Andaingo io lalambe migodana io, ary afaka misafidy isika raha ho aty Ambatondrazaka. Vao maika izany ho vetivety dia tonga aty ianareo, hoy ny filoha. Mahatsapa ny filoha fa tia azy avokoa, na ny raiamandreny na ireo tanora tamin’ireo toerana nanaovany fampielezan-kevitra hatreto. Niaiky anefa izy fa mbola tsy lafatra ireo fotodrafitrasa vitany. Misy ny lesoka, saingy hotohizantsika izany. Isika tsy toy ny anjely mainty ka mijanona tsy mihetsika fotsiny eo. Mandeha haingana isika mampandroso any Ambatondrazaka, hoy izy.
Vitantsika io ny pont café, satria tany mamokatra ity ambatondrazaka. Ho an’ny mandat manaraka kosa hijery sy hanakaiky kokoa an’ny vahoaka ny filoha. Hisy ny teti-bola manokana hanampiana an’ireo fikanam-behivavy. Izay manana tetikasa sy vina dia hahazo fanampiana. Hiarahan’izy mivady mifanampy io.

Hisy koa ny fananganana ozinina fanodinana akora fototra , hanampiana an’ireo tanora tsy an’asa. Hampiana fampiofanana izany na manana na manana mari-pahaizana. Nilaza fa mamahelo ny fijalian’ny mponina amin’ny tsy fisitrahana herin’aratra ny filoha. Nanao fanamby izy fa hizara kit scolaires ho an’ireo mponina mbola mampiasa labozia sy jiro mandeha amin’ny solintany. Indrindra raha lany fihodinana voalohany.

Nisy sahady ireo nisitraka izany tao Ambatondrazaka. ”Vonona hifidy ahy vé ianareo. Tia ahy vé ianareo, miara mandresy isika”, hoy izy. Na iza na iza manenjika ahy, na ny mpanao politika, isika tsy maintsy mandroso ary tsy maintsy mandresy. 50 isan-jato ny teo aloha, ary ny handrasako dia mba holanianareo fihodinana voalohany aho.

Vao vita ny fifidianana dia anaterako jiro mandeha amin’ny masoandro isan-tokantrano ianareo izay tsy manana jiron’ny Jirama. Naseho tamin’ny vahoaka io Kit Solaire io sy ny fomba fampiasa azy. Tokantrano vitsivitsy no notoloran’ny Kandida Laharana faha-3 Andry Rajoelina izany androany ary tena faly tokoa.

Ity Ambatondrazaka ity hadino foana hatramin’izay. Tsy mba nanana kianja lehibe toa izao taloha. Ny zanatsika rehefa afaka Bac dia tsy maintsy mandeha any Tana na any Tamatave.
Efa novahatsika izany olana izany ankehitriny. Efa ataotsika ao ny Université lehibe misy Amphithéâtre lehibe. Tsy handeha alavitra intsony ny zanatsika rehefa handrato fianarana ambony.

Toy izay koa ny lafin’ny fahasalamana. Raha nijery ny Bloc Operatoire tao aho dia nahita fa tena tsy mendrika an’Ambatondrazaka ny tsy fahatomombanana tao. Mba tsy hijaly amin’ny bloc operatoire intsony isika eto Ambatondrazaka dia nanamboarana hôpitaly manara-penitra lehibe misy bloc operatoire sy misy scanner isika.

Ny manana scaner dia ireo hopitaly amin’ny renivohi-paritany toa an’Antananarivo – Mahajanga – Toamasina sns…Fa noho ny fitiavako an’Ambatondrazaka dia efa nanafarana scanner ianareo. ” Ny hopitaly vao hatao – ny Scanner efa ao “.

Fotodrafitrasa goavana napetratsika teto koa ireo Biraon’ny polisy hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Teo koa ny fanamboarana ny biraon’ny paositra sns…Ho hariva eto ny andro raha hitanisa ny zava-bita eto fa ny hamintinana azy dia hoe nahavita be isika.
Ny fotodrafitrasa tsy vitan’ny mpitondra nandritra ny 60 taona dia novitaintsika tao anatin’ny 5 taona monja.

Amin’ny mandat manaraka dia hatokako hampiakarana ny fari- piainan’ny tantsaha ny programanasako ka hampakatra avo 100 heny ny faripiainanareo mpamboly eto aho. Fantatro fa tantsaha avokoa ny ankamaroan’ny vahoaka eto.

Efa nahita famatsiam-bola 250 million de Dollar
entina anampiana ny tantsaha sy hanatanterahana izany isika. Io vola io dia hanampiana amin’ny lafin’ny fiofanana – hanomezana masomboly na semance ka hahazo betsaka amin’izany ny eto Ambatondrazaka.
Ho fanatanterahana izany koa dia hatao laharam-pahamehana ny fanomezana Karatany ho an’ny tantsaha.

Fa izao : Entano ny ao an-tokantrano handeha hifidy amin’ny faha 16 novambra . Ampio aho ahafahako manapy anao./.

Une réflexion sur “Ambatondrazaka : NANAPOROFO NY FITIAVANY AN’i ANDRY RAJOELINA

  • 14 septembre 2024 à 17h17
    Permalien

    hey there and thank you for your information – I’ve certainly picked up something new from right here. I did however expertise some technical points using this website, as I experienced to reload the web site a lot of times previous to I could get it to load properly. I had been wondering if your hosting is OK? Not that I am complaining, but sluggish loading instances times will sometimes affect your placement in google and can damage your high quality score if ads and marketing with Adwords. Anyway I’m adding this RSS to my email and can look out for a lot more of your respective interesting content. Ensure that you update this again very soon..

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *