AMBANJA : VONONA HIFIDY NY KANDIDA LAHARANA FAHA 3

 Nampanantena ny vahoaka teto Ambanja androany fa hanome ny safidiny ho an’ny Kandida laharana faha 3

 Ny tanànan’Ambanja indray no nandray ny Kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina androany. Feno hipoka ny kianja fanaovam-baolina eto Ambanja. Vao maraina dia nitan-jozotra nihazo ny kianja ireo vahoaka maro be manohana ny Volomboasary, tonga hihaino ny fanolorany ny programan’asa hotanterahiny mandritra ny 5 taona manaraka.

Misaotra anareo tonga marobe. Vahoaka mahay mankasitraka sy tia an’ny Prezidà Andry Rajoelina ny vahoakan’Ambanja. Tena hafaliana tokoa no ihaonako aminareo. Betsaka ny asa nataontsika satria tsy misy Distrika hadino intsony manerana an’i Madagasikara. RN 6 Nampijaly anareo ny RN6. Betsaka ny lalana nataontsika fa tsy hadino i Ambanja. Efa 30 taona lasa izay no tsy nisitraka lalana tsara isika izao. Efa vita hatrany aminy 70% ny RN6” , hoy ny kandida laharana faha 3.

 FILOHA MANANA VINA

Atao tara (goudron) misosa tsy maintsy mandeha miaraka aminy Andry TGV. Mila filoha manana vina matanjaka mavitrika ohatran’ny Prezidà Andry Rajoelina. Niara-niredona ny vahoaka teto fa i Madagasikara tsy maintsy mandroso. RAHA 68% DIA 80% FARAFAHAKELINY Aminy fifidianana ho avy izao dia i Andry Rajoelina tsy maintsy mandresy. Raha 68% no nomenareo ahy teto taminy 2018, mino aho fa farafahakeliny 80% no ho azoko amin’ity. Hifanome tanàna amin’ny Prezidà Andry Rajoelina i Ambanja. Be dia be ny kandida fa iray ihany no tian’Ambanja ary tsy ananana maro fa tokana ihany. Niara-naneho ny fitiavany an’i Andry Rajoelina ny vahoakan’Ambanja tonga marobe teto aminy stade. Hiasa ho anareo aho ary tia anareo. LALANA 9 KM Nanao ny RN6 isika fa nisy lalana maro ihany koa teto an-tampon-tanàna. Ilay lalana “Mafipeky” na lalana “Mavo Ranjo” mirefy 9km. Efa vita ankehitriny.

NAHAZO KIANJA MANARA-PENITRA

Nijaly ihany koa taminy tsena fa efa vita ny tsena manarapenitra eto Ambanja. Efa vita koa ny lalana mampitohy ny Kaomina Marovato sy Marokorana. KIANJA MANARAPENITRA Efa nahazo kianja manarapenitra avokoa ny Distrika maro. Ny eto Ambanja mbola tsy manarapenitra ka hamboarintsika ho kianja manarapenitra ity kianjan’Ambanja ity. “Tsy hiala aminao izahay”, hoy ny vahoakan’Ambanja. Betsaka ny kandida fa iray ihany ny mandresy iray ihany ny tanora fidian’Ambanja dia ny laharana faha- 3. Mahatoky anao aho ry vahoakan’Ambanja satria tsy maintsy ataontsika mamirapiratra i Madagasikara. Efa manao ny EPP manarapenitra isika ao izao. EPP lehibe mahazaka mpianatra 600. CACAO Mamboly cacao ny eto Ambanja, raha 6000 ariary kilao tamin’ny 2019 dia 12000 ariary ny kilao amin’izao. Betsaka ny zavatra hataontsika.

 TONGA NY FIARABE MPANDRAOKA FAKO

Tsy maintsy mirindra avokoa. Mila diovina ny tanàna. Efa tonga eto ny fiarabe (camion) mpandroaka fako. TSY METY AMINTSIKA NY FANEMORANA FIFIDIANANA Ny fifidianana dia miteny hoe : “à vos marques, prêts, partez” efa nanome ny “top départ” ny CENI sy ny HCC isika tonga dia vonona. Misy kandida maromaro any tsy mbola vonona fa matahotra antsika. Isika efa mihazakazaka ry zareo mbola variana mifampijerijery. Nanemotra fifidianana ny HCC androany. Tsy mety amintsika izany. Miteny amin’ny HCC isika hoe : ” tsy tokony hanao an’izany satria efa voafaritra hoe 9 Novembra ny fifidianana araka ny lalampanorenana”. Isika tsy mijanona intsony satria efa vonona isika. Tsy hiova “couleur” i Ambanja. Ny “couleur” n’i Andry Rajoelina no “couleur” n’Ambanja. PARC SOLAIRE Maro ny fotodrafitrasa nataontsika sy vitantsika anisan’izany ny fampidirana rano amin’ny alalan’ny toho-drano. Mbola ho avy ihany koa ny fananganana ny “Parc solaire” izay efa 60% no vita. Isika no hitondra ny fahazavana hanafaka ny haizina ary hampandroso an’i Madagasikara. Tsy maintsy natao ny fotodrafitrasa be dia be, ny fotodrafitrasa tokony natao teto hatramin’izay fa isika no nanao betsaka indrindra teto Ambanja. Mila tohizana. Fa amin’izao dia hanakaikikaiky be be kokoa ny tanora izay tsy an’asa, ny tokantrano sahirana, hanampy ny vehivavy sy fikambanam-behivavy sy ireo vehivavy manano-tena aho, izay no hataoko amin’ny “mandat”-ko manaraka. Madagasikara tsy maintsy mandroso. Asehotsika fa Ambanja miaraka amin’i Rajoelina.

16 réflexions sur “AMBANJA : VONONA HIFIDY NY KANDIDA LAHARANA FAHA 3

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *