Ambalavao : TSY « ZONE ROUGE » AMIN’NY ASAN-DAHALO INTSONY

Isan’ireo nikaikaika noho ny firongatry ny asan-dahalo ny mpoina tao Ambalavao. Tsy afaka mamokatra ara-dalana ny olona satria vao mba manana omby maromaro dia lasan’ny dahalo. Hatramin’izay nametrahan’i Andry Rajoelina ny paikady hiadivana ny asan-dahalo any an-toerana izay ( fametrahana toby miaramila mampiasa helikoptera ) dia efa tsy faritra mena amin’ny asan-dahalo intsony Ambalavao. «  Efa nihena be ny asan-dahalo. Nahomby ny paikady nametrahana fandriampahalemana taty ary tohizana izany », hoy ny kandida laharana fahatelo Andry Rajoelina – nandritra ny fampielezan-kevitra nataony teto amin’ny Kianja Manara-penitra Ambalavao ny 02 novambra 2023 tolakandro.

VIDEO MIKASIKA NY FAMPIELEZAN-KEVITRY NY KANDIDA LAHARANA FAHATELO TAO AMBALAVAO

Hamaly fitia an’io kandida io izahay ary tsy hamelanay raha tsy lany izy. Hanome 80 isan-jato ny vato izahay, hoy Raymond Randriasolofomanana – solontenan’ny vahoaka nandray fitenenana. Maro ny fampandrosoana nentin’ny kandida laharana fahatelo teto Ambalavao sy manerana an’i Madagasikara ka nahazoany ny titre Champion des battisseurs aty Afrika : « Fanamboarana hopitaly 28 tao anatin’ny efa-taona raha 18 monja no nataon’ny fanjakana nifanesy ny taona 1960 hatramin’ny 2018. Torak’izany ny efi-trano fianarana miisa 4 198  izay manaporofo fa izay distrika nolalovana dia nanaovana sekoly. Anisan’izany  Ambalavao.  Manginy fotsiny ny kianja manara-penitra natokana indrindra ho an’ny tanora. Mariky ny fifampitokisan aamin’ny vahoakan’Ambalavao sy ny filoha Rajoleina izany satria tamin’ny fandalovany tao an-toerana ny 2018 izay nihosom-bovoka no nagatahan’ny mponina ny fanamboarana. Vita izy izao ka afaka mifamaly fitiana ny andaniny sy     ny ankilany. Filoha tia tanora , tia tanora ny filoha Rajoelina, hoy izy ka vonona hatrany ny hanampy tanora. Mila filoha Tanora rahateo ny firenena Malagasy », hoy izy raha nandray fitenenana.  

Fanamby lehibe napetraky ny kandida laharana fahatelo teo Ambalavao ny fanomezana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 2 isan-tokantrano. Veloma hatreo ny fampiasana labozia sy jiro petrole. « Vao maheno ny voka-pifidianana aho ny hariva an’iny ary henoko fa nandresy aho teto dia andro vitsy monja dia tonga eto aho mitondra kaontenera misy ny jiro mandeha amin’ny masoandro ho an’ny isan-tokantrano », hoy izy nanome toky ny vahoaka.

Notsindriany fa hifantoka bebe kokoa amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka io mandat manaraka io. Hanome asa ary hanome fitsimbinana misimisy kokoa noho ny natao hatramin’izay. Toy ny mahazatra moa dia tamin’ny alalan’ny fanomezana tsodrano ara-pomba malagasy mba ho tafita soa amin’izao fifidianana izao no nandraisan’ny vahoaka ny kandida laharana fahatelo teo Ambalavao. « Tsy maintsy ianao no lany satria ianao ihany no Filoha efa hitanay fa tia anay. Tsofinay rano ianao ary omenay an’ity tehana ity ho mariky ny famindranay ny fahefana », hoy ny solontenan’ny ray aman-dreny ara-drazana nitsodrano. Vahoaka marobe nameno ny stade manara-penitra no nandray ny kandida laharana fahatelo ary efa iray andro tontolo ireo avy any ambanivohitra samihafa tonga hihaino azy.

Nanamafy ny fijerena misimisy kokoa ny sosialim-bahoaka izy. Nanome toky fa hamaha ny olan’ny tsy fananan’asa ho an’ny tanora. Hijery ny renim-pianakaviana sy ny zokiolona. Hijery ny vahoakan’Ambalavao manokana ihany koa. Mifanindran-dalna amain’izany ny fidinany ifotony indray any AMbalavao hanatitra ireo jiro isan-tokantrano vaol mivoaka ny vokam-pifidianana ka lany fihodinana voalohany izy. Naoararaotiny teto ny fanamafisana ny maha filoha saro-piaro amin’ny teny nataony sy manatanteraka izya nolazainy. Nanetana ny mponin’Ambalavao izy, indrindra ny tanora mba tsy hihemotra na ho kivy amin’ny fanatsatsoana ataon’ny hafa rehefa hanatratra fanamby.

FANEHOAN-KEVITRY NY MPOINA AO AMBALAVAO – MIANDRANDRA NY FITOHIZAN’NY FAMPANDROSOANA ENTIN’NY KANDIDA LAHARANA FAHATELO

Zone rouge ny taty Ambalavao taloha saingy noho ny paikady napetraky Andry Rajoelina teo dia nihena ny asan-dahalo. Tianay hotohizana izany. Maro ny fanantenana mbola tinay hotohizany aty Ambalavao , indrindra ny hanomezany asa ny tanora

1- Ramonja Pierre, mponina Ambinaniroa, CR Ambinaniroa. Mankasitraka ny kandida laharana fahatelo, Filohan’ny Repoblika tamin’ny zava-bitany rehetra toy ny sekoly, lalàna. Indrindra ny fametrahana  fandriampahalemana. Tokony ho tohizana izany hoy izy. Ary manantena izy hamitan’ny Filoha ny toha-drano ao Andriamitily.

2-            Mlle Claidinah, TanoranlAmbalavao. Betsaka ny asa vitany ho anay tanora. Anisan’izany ny kianja manara-penitra sy ny sekoly. Manantena izahay fa mbola maro no hataony ho anay tanora , toy ny fanomezana asa sy famoronana asa ho anay.

3-            Ramaherison. Raiamandreny . Ambalavao. Anisan’ny hanohanana ny Filoha Rajoelina ny fomba nitantanany ny firenena tanatin’ny Mangarahara. Maro ny zava-bitany ho an’ny vahoaka ka mendrika ny ho tohizana Izany. Indrindra ny fandriampahalemana.  Milamina tanteraka izahay amin’izao.

4-            Razafindrakoto Haritiana Brice. Mpikambana Dina soamiaradia. Nahavita be tamin’ny resaka fandriampahalemana izy. Raha « zone rouge » izahay taloha efa nihena ny vaky trano sy ny halatra omby. Milamina Ambalavao ankehitriny. Ny Filoha Andry Rajoelina no nitondra fampandrosoana ka mendrika ny hanohizany izany. Antony hanohanako azy ny asa vitany toy ny sekoly, ny hopitaly, ny lalana. Betsaka no nataony ka manentana ny vahoaka mba handatsa-bato ho azy aho.

5-            Rahanitriniaina Bricelle , renim-pianakaviana. Ambalavao. Hafa ihany ny filoha Rajoelina satria olona mitazona ny teny nomeny izy. Izay nolazainy tanteraka avokoa. Tsy manao kobaka ambava izy. Betsaka ny zavatra vitany manerana ny Nosy tamin’ny lafin’ny fampianarana sy ny fahasalamana.

Une réflexion sur “Ambalavao : TSY « ZONE ROUGE » AMIN’NY ASAN-DAHALO INTSONY

  • 9 septembre 2024 à 7h09
    Permalien

    I have been absent for some time, but now I remember why I used to love this blog. Thanks, I will try and check back more often. How frequently you update your website?

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *