“Albinos Madagascar”

“Albinos Madagascar”:MBOLA TSY MISITRAKA NY ZONY

📌Ny 13 Jona,andro iraisampirenena ho an’ny olona manana toe-batana varira.Raha ny teto Madagasikara,dia andiany faharoa ny amin’ity taona ity.Natao tany Faradofay moa ny andiany voalohany.Voasokajy ao anatin’ny olona manana fahasembanana ny olona varira,noho ireo sela tsy ampy ao anatin’ny vatan’izy ireny.

 Raha ny eto Madagasikara manokana no jerena,dia mbola misedra fahasahirana goavana ny olona manana toe-batana varira.Raha tsy hilaza afa-tsy ny fanilikilihina mianjady azy ireny eny amin'ny fiarahamonina misy azy,eo ihany koa ny toeram-pianarana izay tsy manaiky ny handray ny varira.Ny fanilihana ny varira eny amin'ny sehatry ny asa ihany koa no isan'ny tsy fanajana hita mianjady amin'ny varira.Fa ny tena zava-dehibe,izay mihatraika mivantana amin'izy ireny,ny tranga tsy fandriampahalemana.

Mitana ny sain'ny maro tokoa ny vaovao miely,izay diso tanteraka,milaza fa misy hery manokana sy mahagaga sy taova maro eny amin'ny varira,toy ny maso,ny hoditra,ny taova ao anaty ao,sy ireo maro hafa.Mandry tsy lavoloha ny olona manana toe-batana varira eto  amintsika,ary izay no hanaovan'izy ireo antso avo amin'ny fitondram-panjakana.Tao anatin'ny herintaona nijoroan'ny fikambanana misahana ny varira teto Madagasikara,dia maro ny tranga tsy fandriampahalemana hita tao anatin'izay,raha tsy hilaza afa-tsy ny taona 2022,dia nahatratra 25 ireo tsy fandriampahalemana,ary telo no maty.Ny taona 2023,dia valo ny tranga tsy fandriampahalemana,ary roa no maty.

  Homarihina manokana moa ity andro iraisampirenena ho an'ny olona manana toe-batana varira ity eto Madagasikara,ka hatao any Farafangana,izay nahitana tranga fahafatesana varira tamin'ity taona 2023 moa io faritra io.

📌Ny faha 29 Jona ho avy izao no hanatanterahana azy io,iarahana amin’ny fitondram-panjakana sy ny UNICEF.Hita mandritra io fanamarihana io,ny fampahafantarana sy ny varavarana misokatra ,entina hampafantarana ny toe-tena varira marina.Misy ny lohahevitra dinihina manokana amin’izany,”Fampihatiana no hery”.

  Tsara ny manamarika fa ny fikambanana miahy ny varira eto Madagasikara,dia efa misandrahaka manerana ny faritra ,ankoatra ny any Melaky sy Menabe ;izay mbola an-dala-pananganana azy izy ireo.

✍️Alex R.

245 réflexions sur ““Albinos Madagascar”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *