Ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina: MBOLA MARO NY MALAGASY VOASARIKA

Mahakasika fahasalaman’ny olona maro ny fandraisana sy fidoroana ireny zava-mahadomelina ireny,ary manimba fiaraha-monina ihany koa.Ny fiaraha-monina malagasy anefa mbola voasarika sy mirona ao anatin’ny tontolon’ny zava-mahadomelina io.Anisan’izany ny fifohana sigara,ny fihinanana parany,ny fisotroana zava-pisotro mahamamo sy ny maro hafa.

📌Manimba ny fahasalaman’ny zaza ao am-bohoka,ohatra ny fisotroana’ny zava-pisotro misy alikaola na koa ny fihinanana ireny paraky ireny.Eo ihany koa ny fisotroan’ny lehilahy toaka,izay fototra mampikorontana fiaraha-monina maro eto amintsika.Ny 25 isan-jaton’ny setroka entin’ny sigara ihany no mankany amin’ny mpifoka azy,fa ny 75 isan-jaton’ny setroka dia lasa eny amin’ny manodidina avokoa.

📌Misy ny lalàna mifehy amin’ny fidoroana zava-mahadomelina eto Madagasikara,fa mbola tsy mihatra araka ny tokony ho izy,ka mila ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny ministera hiara-hiady amin’ny fidoroana, indrindra hiady ho an’ny tanora malagasy.

Ny ONG NY SAHY,dia anisan’ireo miara-miasa amin’ny fanjakana sy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fiadiana ny fiparitahan’ireny zavatra tsy mahasoa fiaraha-monina ireny,izay ao anatin’ny Comité Constitutif anti-tabac.Maro ny hetsika ataon’ny ONG NY SAHY,toy ny fanentanana ifotony ireo tanora lahy sy vavy,ny fihezahana manafoana ny zava-mahadomelina.

Ny tanjon’ny fikambanana ,araka ny nambaran’ny filoha mpitarika andriamatoa RAMAMONJISOA Ny Haja,dia ny fanentanana faratampony amin’ny fiadiana ny zava-mahadomelina,eo ihany koa ny famoronana asa sy fialam-boly ho an’ny tanora,ary ny fanenana ny fotoana hipetrahana matetika ho an’ny tanora.

Alex R.

non a la cigarette

6 réflexions sur “Ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina: MBOLA MARO NY MALAGASY VOASARIKA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *