FOTOAM-PIALANTSASATRA AO TOAMASINA: HOHAMAFISINA NY FITANDROANA NY FAHALEMANA

Amin’izao fotoanan’ny fialantsasatra izao dia miara misalahy amin’ny asa fampandriana fahalemana ny tananan’i Toamasina ny EMMO na ny ” Etat major mixte opérationnelle “, ka manomboka androany dia hisy ny hetsika izay ataon’ny Zandarimariam-pirenena, Polisimpirenena ary ny Tafika Malagasy.

Izao fiaraha-miasa izao, izay efa asa fanao sy mahazatra ireo mpitandro filaminana.Hamafisina ny “dispositif de sécurité” na ny paik’ady amin’ny fitandroana ny filaminana, mba hapandry fahalemana ny tanana ao an-tapotananan’i Toamasina Renivohitra iarahana amin’ny Zandarimariam-pirenena , Polisimpirenena ary ny Tafika Malagasy amin’izao fotoana ny fialahan-tsasatra izao.

Ankoatra izay dia ho ampitomboana ihany koa ny isan’ireo mpitandro ny filaminana miasa sy manatevin-daharana ary koa ireo miantsehatra eny an-kianja na andro na alina.Na dia efa hita sortira aza fa efa miha maro ireo mpiala sasatra no tonga ao an-drenivohitra Betsimisaraka, dia mbola ao anatiny fanomanana farany ireo miatrika ny fanadinana bakalorea.Eo anatrehan’izany dia nilaza ny teo anivon’ny EMMO fa hohamafisina ihany koa ny fitandroana ny filaminana mialohan’izao fotoanan’ny fanadinampanjakana bakalorea izao, indrindra fa mandritra ny fiatrehan’ireo mpiadina izany.

Manentana ny vahoaka rehetra mba hanaja sy hanaraka ny fandaminana sy ny torimarika omen’ny mpitandro ny filaminana izy ireo.Eo ihany koa ny tsy tokony hisalasalan’ny rehetra hanantona, na ny polisy, na ny zandary, ary ny miaramila raha sendra misy ny tranga hafahafa na mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina.

Manentana ny rehetra ny mpitandro filaminana mba samy hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.Mikasika ireo foto-drafitr’asa mijoro kosa indray dia noresahan’izy ireo manokana izany.Natokana hoan’ny vahoaka rehetra izy ireny ka tokony hanaja izany ny tsirairay ary tokony ho samy sarotiny.

Tantely ANDRIANOMENJANAHARY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *