Naloam-bahoaka – Resy tamin’ny fifidianana :  TSY TOKONY HOTENDRENA INTSONY !

PHOTO : fb – Kaominina Ambonivohitra Soavinandriana

Matoa naloam-bahoaka dia mazava be toy ny tafika andrefan-tanàna fa tsy tiany hitantana na hitana andraikitra intsony ! Efa feom-bahoaka mivantana ireny niantefa tamina kandida Solombavambahoaka tsy lany teo ireny, na iza izy na iza. Matoa tsy lany, dia tsy tian’ny vahoaka hitondra intsony. Ka fahadisoana mihoa-pampana ny mbola fanendrena azy ireny indray ! Tsy tokony hotendrena amin’ny toerana hafa na andraikitra hafa intsony , satria efa mazava fa mangidy hoditra.

Tsy lany olomanga i Madagasikara ka aleo ny olom-baovao , madio tanana , tsy manana olana ifotony , afaka hitondra sy hitana andraikitra, hitondra fampandrosoana marina no omena toerana.

Ho an’ny ao Soavinandriana  Itasy manokana , dia voakasik’izany tanteraka. Raha misy ny fanendrena tompon’andraiki-panjakana ambony anatin’io Distrika io, dia ny tsara indrindra dia ny tsy manendry ireo efa naloan’ny vahoaka. Maro ny  manam-pahaizana sy manam-pahendrena te hifanolo-tanana amin’ny Fitondram-panjakana.

Tena rariny sy hitsiny tokoa raha hiainga amin’iny voka-pifidianana depiote teo iny ny maridrefy handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fanendrena tompon’andraikitra ambony mba tsy ho diso lalana indray.  

Tsy ho an’ny ao amin’ny Faritra ITASY ihany, fa manan-kery manerana ny Faritra Rehetra izany. Omeo sehatra ny manam-pahaizana maro (na teknisiana) izay hita fa mbola madio-tanana sy tsy manana olana amin’ny vahoaka eny ifotony. Tsy be « dosié mafana » hoy ny fomba fiteny, fa fotoan’ny fanovana ho amin’ny tsara koa izao.

Ny antony hiresahana izany ankehitriny dia hita sy tsapa sy heno mantsy , fa ireo kandida naloam-bahoaka sy efa notsarain’ny vahoaka , dia tsy nahay nandray lesona fa mbola hiady sisika amin’izany sehatra izany indray , izay fomba fanao efa hita fa tsy mety : satria ny feom-bahoaka , feon’Andriamanitra !

Rapilokely

Une réflexion sur “Naloam-bahoaka – Resy tamin’ny fifidianana :  TSY TOKONY HOTENDRENA INTSONY !

  • 16 septembre 2024 à 1h00
    Permalien

    I’m curious to find out what blog system you have been working with? I’m having some small security problems with my latest site and I’d like to find something more safe. Do you have any recommendations?

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *