TSY ALEO VE ZANAKA AN-TRANO IHANY NO FIDIANA RAHA HIFIDY ? ” Hoy i Lanto RAKOTOMANGA

Mitohy hatrany ny Fampilezan-kevitra niarahana tamin-dRamatoa Lanto RAKOTOMANGA kandida laharana faha_3 ao amin’ny Boriboritany faha_2 . Ho an’ny omaly faha 22 mai dia nisy ny fidinana ifotony izay niainga teo amin’ny fiantsonan’ny taxibe zotra119 Ankatso tamin’ny 2ora ariva nihazo ny fokontany Ampasanimalo sy Tsiadana ary nifarana teo amin’ny tany malalaka “CRS” izany .

Nisy ny fitetezana ny elakelan-trano izay nahavitana ny asa nandritra ny fe-potoam-piasany toy ny lalan-kely sy ny jiro maro be izay manazava ny tananà ary nisy ihany koa ny lalan-kely izay tena mbola mila amboarina sy hatsaraina hoy i Ramatoa Lanto RAKOTOMANGA .Nilaza izy fa hanolo-tena , vonona ny hanoy sy hampitombo ny asa efa vita hatramin’izay .

Nandritran’ny fotoam-piasany amin’ny maha Solombavambahoaka azy dia maro ny asa vita toy ny “bassin” fanasan_damba izay miisa 56 , maro ihany koa ny lalana kaominaly tsy vita nandritran’ny 40 taona kanefa vita nandritran’ny fotoana nitondrany toy ny lalàna eny Ambohipo , Ampamantanana, Ankantso , Saropody ,ary Ambolokandrina ….vita avokoa kanefa mbola maro ny ho tohizana sy hatsaraina fa ireo asa efa natao dia manamafy ny fanantenana ao aminy indray hahazoana ny poa-droa ny laharana faha-3 ao amin’ny Boriboritany faha_2, ka manantena ny vahoakan’ny Boriboritany faha_2 izy mba hifidy ny efa zanaka an-tranon’ny fitondrana fa tsy haka ny an’ny hafa izay tsy fantatra mazava hoe zanak’iza?

Omaly dia mbola nisy ny fizarana Jiro hanazava ny elakelan-trano , fizarana lambaoany ,tee-shirt , ary nisy ny valopy izay nisy fanampina sy fanohanana an’ireo be antitra .Nanamafy izy fa vonona ny hanoy izay efa vita ary vonona ny hampandroso hatrany ny Boriborintany faha-2 izay antenainy fa ahazo poa-droa amin’ity fifidianana ity.

Mendrika Orelia

Une réflexion sur “TSY ALEO VE ZANAKA AN-TRANO IHANY NO FIDIANA RAHA HIFIDY ? ” Hoy i Lanto RAKOTOMANGA

  • 16 septembre 2024 à 16h59
    Permalien

    What’s up to all, how is everything, I think every one
    is getting more from this website, and your views are good for new people.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *