Fanatsarana ny fitantanana ny fananan-tany: HITSANGANA TSY HO ELA NY RAFITRA “JERITANY”

Mitohy hatrany ny fikaroham-bahaolana entina hanatsaràna ny fitantanana ny fananan-tany eto Madagasikara. Anisan’ireo tetik’asa imasoan’ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananan-tany na ny SIF ny fametrahana sy ny fampandehanana ny rafitra JERITANY. Rafitra iray an’ny Firaisamonimpirenena misehatra amin’ny fananan-tany, hahafahana mikirakira antontan-kevitra sy antontam-baovao mahakasika ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara.

Apetraka ihany koa ny JERITANY izay efa novolavolain’ny SIF nanomboka tamin’ny taona 2023 hahafahana manangona ireo antontan-kevitra momban’ny olan’ny fananan-tany iainan’ny fokonolona sy ny fananan-tany amin’ny ankapobeny. Ho alalinina ao anatin’ity rafitra ity amin’ny antsipirihany ireo antontam-baovovao hahafahana misintona vahaolana aroso ho dinihan’ny mpanantanteraka isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany. Andalam-pametrahana ny rafitra JERITANY ny SIF amin’izao fotoana izao ary heverina fa hivelatra kokoa ny fampandehanana an’izany amin’ity taona 2024 ity.

Araka ny fanadihadiana natao manodidina ny folo isan-kerinandro eo ny fitarainana voarain’ny SIF mikasika ny olan’ny fananan-tany eto amintsika, izay saika mifototra amina teboka telo. Voalohany ny olana ateraky ny fanoratan-jo fananan-tany, dia ny fangatahana titra na famindrana titra amin’ny alalan’ny fandovàna, fifampivarotana, fanolorana ary fifampizarana. Faharoa ny olana ateraky ny sata-tany lany andro, toy ny Tany misoratra amin’ny Voanjo ( Colon), ny Kadasitra tsy tontosa hatramin’ny farany.Fahatelo farany ny olana ateraky ny fibodoana tany ataon’ireo orinasa na mpampiasa vola vaventy.

Eo ihany koa ny fanesorana ny olona mampiasa ny tany raha misy ilain’ny Fanjakana ny tany.Notanterahana omaly alarobia 08 may 2024 moa ny fampahafantarana ny rafitra JERITANY sy ny atrik’asa fifanankalozan-kevitra eo amin’ny mpisehatra amin’ny Fananan-tany karakarain’ny SIF ka nanasàna ireo solotenan’ny fokonolona manana olan’ny fananan-tany manerana an’i Madagasikara. Ireto farany izay nanaovana fanadihadiana tao anatin’ny JERITANY.

Nanatrika ity atrik’asa ity ihany koa ireo sokajin’olona hafa misehatra amin’ny fananan-tany. Ankoatra ny fampahafantarana ny JERITANY, efa nirosoana sahady ihany koa io omaly Io ny fifampidinihana eo amin’ireo solotenam-pokonolona manana olan’ny fananan-tany eto Madagasikara amin’ireo Tomponandraikitra isan-tsokajiny mba ahafahana manoritroritra vahaolana entina mamaha izany olan’ny fananan-tany izany.

Mialy RAHARINOMBÀNA

150 réflexions sur “Fanatsarana ny fitantanana ny fananan-tany: HITSANGANA TSY HO ELA NY RAFITRA “JERITANY”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *