Zap Analamanga : FAMBOLEN-KAZO TENY ANTSAHADINTA

Tontosa omaly teny amin’ny faritry ny Sekoly Fanabeazana Fototra Antsahadinta ny fambolen-kazo miisa 800 izay nataon’ny Fikambanana Hasina Analamanga, ivondronan’ny Chefs ZAP 144 eto amin’ny DREN Analamanga ary notarihin’ny Filohany, Atoa RANDRIAMANGA Jean Aimé izay notronin’ny Chef Cisco Atsimondrano RAMANANJATOVO Arsène sy ireo tompon’andraikitra samihafa teo an-toerana.

  Nosafidin’izy ireo manokana ny Sekoly Fanabeazana Fototra-Antsahadinta nohon’ny fahitan’izy ireo fa mihasimba sy miharingitra ny zava-maniry manodidina ny sekoly ary mba ho fikajiana ihany koa ny tontolo iainana. An’isany zana-kazo novolena tamin’izany ny poivre  rouge, ny filao, ny acacias ary ny oliva.

Marihina fa faritra 6 teo an-toerana no nanatanterahana izany fambolen-kazo izany dia ny tao Antsahalalina, Andohalokely, Ambodiala, Antanifotsibe, Antsisindalana ary Tambohokely, izay misy velaran-tany 300 metatra tora-droa avy.

Ankoatr’izay dia nanambara ny Filohan’ny Fikambanan’ny Chefs ZAP eto Analamanga fa izao hetsika izao dia fandraisana anjara ihany koa amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny Filoham-pirenena dia ny famerenana an’I Madagasikara ho maintso.

Yvette RAKOTONDRAKA / Naro AINA

2 réflexions sur “Zap Analamanga : FAMBOLEN-KAZO TENY ANTSAHADINTA

  • 17 septembre 2024 à 6h48
    Permalien

    This site can be a stroll-via for all the data you needed about this and didn’t know who to ask. Glimpse right here, and also you’ll definitely uncover it.

    Répondre
  • 16 septembre 2024 à 3h43
    Permalien

    Hey! I just want to give an enormous thumbs up for the good data you’ve gotten right here on this post. I will probably be coming back to your weblog for extra soon.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *