Kandida laharana fahatelo : NAKOTROKA NY FAMPIELEZAN-KEVITRA TETO BETAFO

Nanao fampielezan-kevitra tany amin’ny distrikan’i Betafo sy tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomanelatra ary ny kaominina ambanivohitra Ambohibary ao anatin’ny distrikan’Antsirabe II ireo filohan’ny antoko nasionaly maro manohana sy mampandany ny kandidà laharana faha 3 Andry RAJOELINA ny alatsinainy 6 novambra.

Nanotrona sy miara-dàlana amin’izany ny solombavambahoaka sy ny ben’ny tanàna rehetra any amin’ireo distrika roa ireo.Hipoka hatrany ny toerana nanaovana ny fampielezan-kevitra ary rakotra volomboasary ny tanàna manontolo.Mahatsapa ny fampandrosoana nentin’ny kandidà laharana faha 3 ny filoha Andry RAJOELINA ny vahoaka any amin’ny faritra Vakinankaratra ary maniry ny hitohizan’izany.

Ny faritra Vakinankaratra izay nisitraka fotodrafitrasa betsaka nandritra ny fitondran’ny filoha Andry RAJOELINA ny firenena.Raha ny fanamby nifanaovana tamin’ireo vahoaka dia tsy ho latsaky ny 80% ny vato ho azon’ny laharana faha 3 ny filoha Andry RAJOELINA amin’ny fifidianana ny 16 novambra izao.Nanakoako hatrany ihany koa ny « premier tour dia vita »

113 réflexions sur “Kandida laharana fahatelo : NAKOTROKA NY FAMPIELEZAN-KEVITRA TETO BETAFO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *