TOLIARA : TSY MIALA AMIN’NY KANDIDA N°3

Tamin’ny 7:30 sohariva no nigadona teo amin’ny Kianja Maître Kira Andaboly ny cortège lava dia lava notarihin’ny kandida Andry Rajoelina mivady sy ireo vahoaka maro dia maro nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina nialohan’ny fihaonany tamin’ireo vahoakan’i Toliara izay efa niandry azy nandritra ny ora maro.Tao anaty hafaliana sy firavoravoana tanteraka no nandraisan’i Toliara azy mivady. Anisany toerana notsidihany matetika hoy izy i Toliara, na tamin’ny andron’ny tetezamita izany ary indrindra tanatin’ny fotoana nitondrany ny firenena.

Hamafisina hoy izy ny soa nifanaovana tamin’ny vahoaka ary androany dia niavaka tanteraka ny fandraisana azy satria dia horakoraka sy hafaliana no nandraisana azy mivady. Ny vahoakan’i Toliara koa nanamafy tamin’ny alalan’ny feo avo fa tsy miala amin’i Andry RAJOELINA noho ny fitiavany manokana an’i Toliara.Nohamafisin’ny solotenan’ny olobe ao Toliara ( avy amin’ny TOKOBE TELO ) tamin’ny alalan’ny tsodrano ho an’i Andry RAJOELINA izany.

Maro ireo distrika manerana ny nosy fa i Toliara tsy nanaiky resy tamin’ny fandrosoana. Nisaorany manokana ireo olom-pirenena, ireo Ray aman-dreny TOKOBE TELO izay nanome tsodrano sy nanamafy ny firaisankina. Vonona aho hoy ny kandida Andry RAJOELINA hanakaiky hatrany ny vahoaka indrindra fa ny eto Toliara.

Hatramin’izay naha Toloara an’i Toliara dia tsy mbola nisy fotodrafitrasa betsaka natao teto an-toerana, anisany efa natao ny fanamboarana lalana. Maro ireo lalana nokasaina natao sy mbola hatao raha ny eto Toliara .

Tsy misy zavatra tonga ho azy hoy izy ary mariky ny fiarahana . Tsy misy fiatsaram-belatsihy ny volana feno nibaliaka nanenika ny lanitr’i Toliara. Manamarika izany ny famapndrosoana ny firenena.Foto-drafitrasa goavana natao ihany koa ny lalana RN 9 mampitohy an’i Toliara-Ifaty-Ankililaoka-Befandriana Sud-Ankatsakatsaka-Bevoay. Mbola amin’izao fitondrana izao ihany, nitady famatsiambola nahafahaan nanamboatra ny lalana ratsy be hatao goudron hatrany Ambovombe -Toliara. Toliara no hatao « carrefour de dvpt »: rehefa nangataka financement tamin’ny Banque mondiale nanontany ny tena filana maika aho hoy ny Kandida laharana fahatelo – dia tsy nanadino velively ny fampandrosoana ny faritra Atsimo sy Atsimo andrefana, fa indrindra ny eto Toliara. Rehefa tena fitiavana dia fitiavana no atao sy aseho hoy izy fa tsy miaro fiatsarambelatsihy. Nisaotra manokana ny député Behaja ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny fanohanany ary nisaotra ireo député rehetra aty atsimo ihany koa izy sy Député 111 miaraka amin’i Andry Rajoelina. Anisany goavana ihany koa ny Lalana RN 10 izay lalantany hatramin’izay ka dia hatao goudron, mampitohy an’i toliara-Andranovory- Ampanihy-Beloha-Tsihombe.

Tsy nisy filoham-pirenena nanao asa maro toy izany teto . Resaka hopitaly indray dia efa tamin’ny 1904 no nisy hopitaly lehibe farany natao teto, noho ny fitsinjovana ny vahoaka anefa dia nanangana hopitaly maro isika hoy AR, tsy hadino i Toliara tamin’izany. Tsy ilaina ny fampizarana ny Malagasy, tsy ekena ny fampisarahana sy ny fankahalana, fanavakavahana fa mamitika ny firenena izany izay voizin’ny sasany ankehitriny. Filohampirenena mampiray sy mampitambatra ny Malagasy no ilaina ary tokana dia ny kandida laharana fahatelo hametraka izany. Iray ihany ny malagasy ary samy manana ny hasiny isika . Tsy fanavahana ara-poko, loko, fiaviana na finoana no hampandroso ny firenena. Malagasy manao fotodrafitrasa sady mampiray ny vahoaka no ilain’ny vahoaka. Nasehon’i Andry RAJOELINA ny vahoakan’i Toliara i Olgina mivoy ny hira tsy manavaka ary nihirany ilay hira maneho tsy fanavahana. Mifono hafatra lehibe iny hira iny ary mila mifankatia isika. Adidin’ny rehetra ny miala amin’ny fankahalana. Amin’izao campagne izao dia misy kandida no manaratsy kanefa adidin’ny mpitondra ny mampiray ny rehetra. Hijoro hampitambatra sy hampiray ary hataony mamiratra sy mandroso i Toliara. Betsaka ny zaza Malagasy ny mandeha tongotra rehefa mandeha mianatra.

Nanamboatra isika salle de classe 400 hanampiana ny zaza teto Toliara, 2555 kosa ny mpampianatra noraisina ho mpias-panjakana.Raha tamin’ny taona 2018, 84,55% ny vato azon’i Andry RAJOELINA, amin’ity 2023 dia hirariana hoy izy ny hahalany azy eto Toliara amin’ny isam-bato 95%. Ity fifidianana ity hatao hanova ny tantaran’i madagasikara ary hampandrosoana i toliara. Tsy misy mahasolo ny fitiavana ny fitiavana amin’ny maha Filohampirenena manakaiky sy mitsinjo ny vahoaka. Amin’ny andro sarotra no Tena Ilana ny fifanampiana. Tsy nitazana fotsiny isika hoy izy tamin’ny fotoanan’ny Covid sy cyclone.

Tonga matetika taty i Andry RAJOELINA: nametraka tosika fameno( vary gony) amin’ny mandat manaraka dia hitsinjo ny vahoka sy ny tokantrano Malagasy isika. Tsy fahefana no ilaiko fa ny hanasoa ny vahoaka fa tsy araky ny kasain’ny kandida sasany. Betsaka ny famoronana asa efa natao. Tafiditra tao anatin’ny ODOF nametrahana ozinina sy fitaovana fanaoavana chips azo avy ovy, vomanga. Ankoatra ny orinasa fanaovana patte. Goavana ny fanamby sy velirano hatao dia ny Fanaovana orinasa hanamboatra simenitra mba hanome asa ny tanora eto Toliara. Hatramin’izay naha Toliara azy dia tsy mbola nisy fotodrafitarsa vita betsaka tahaka izao. Namboarina ny Rocade 2,400 km Amborongony est, ny Lalana goudron Andakoro 1 sy 2. Manomboka ny 2024: dia hatao amin’ny endriny vaovao i toliara amin’ny alalan’ny ny fanamboarana ny lalana rehetra eto antanana. Ho vita goudron daholo ny lalana rehetra eto antanana hametrahana ny endriny tena tsara izay. Misedra olana ihany koa i Toliara rehefa vanim-potoanan’ny tondra-drano. Efa ao ny orinasa hanamboatra ny bizo (buse) hivoahan’ny rano any an-dranomasina.

Mila mandresy lahatra ny ao antokantrano ny rehetra hifidy ny 16 Novambra. Maka karatry ny mpifidy ka hifidy an’i Andry RAJOELINA daholo ary Premier tour de vita. Fandrosoana no entina eto toliara sy manerana ny nosy. Sahirana i Toliara hatramin’izay tamin’ny fikarakarana taratasim-panjakana, toy ny fikarakarana pension sy retraite. Izany hoy ny kandida Andry RAJOELINA no nananganana ny hôtel des finances izay efa Mitsangana eto Toliara ao Sanfil, Ny birao ny polisy ihany koa dia efa tsy nisy kanefa nahazo i toliara izay Efa notokana. Tsy misy pdt nanao asa betsaka indrindra teto toliara ankoatra an’i Andry RAJOELINA. Manana Plage tsara i Toliara ka hisy ny hotely betsaka hajoro izay manome asa hampandrosoana ny sehatry ny fizahan-tany. Ny taona 1934 no nanana aéroport i Toliara. hatao aéroport internationa izany ka afaka handray sidina avy any ivelany. Anisany manahirana ny vahoaka ihany koa ny fahapotehan’ny digue Fierena. Tsy maintsy amboarina izany satria efa azo ny tetibola hanarenana izany izay hatao hanara-penitra.

Amin’ny fanaovana politika dia tsy ilaina ny fivadihana, misy mantsy ireo mpamadika ka anisany ireo ministra niara-niasa taminy tao anatin’ny fitondrana. Raha mpanao politika mpamadika no jerena dia saika tsy hanao izy fa soa ihany fa teo ny vahoaka nanohana azy. Mino sy Manantena isika fa i madagasikara dia tsy maintsy mandroso ary indrindra I toliara izay hatao mamiratra.Any Antananarivo dia misy ny 67ha, Ambohipo, Cité Ampefiloha. Tao anatin’ny 5 taona isika dia nanao building sy trano mora. Hisy araka izany ny tetikasa goavana hananganana tanana vaovao hanova ny tananan’i Toliara.

Hanao tanana vaovao eto toliara isika izay haorina eo Andranomena amina tany mirefy 50ha. Ho zaraina sy hamidy ho an’ny vahoaka tsy ankanavaka izany. Hisy ny fisarihana (tirage au sort) ho an’ ireo hisitraka izany. Ho hita ao amin’io tanana vaovao io ny fametrahana gare routière, station service izay hatsangan’ny fanjakana. Tsy ho ela ihany koa dia ho vita ny gymnase lehibe eto Toliara. Ny zavatra natao dia tsy maintsy faranana ka ho avy hitokana izany isika ny volana febroary 2024. Betsaka ny asa fampandrosoana natao ary tsy maintsy tohizana. Hatramin’ny 10 ora alina latsaka kely nifaranan’ny hetsika dia tsy nisy niala ireo vahoaka an’alankisa nihaino sy nanatrona ny kandida Andry Rajoelina.

12 réflexions sur “TOLIARA : TSY MIALA AMIN’NY KANDIDA N°3

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *