Fikambanan’ny sendika mpiasam-panjakana: MANDRAHONA HAMPIATO NY ASANY …

⏩Nampiaka-peo ny vondron’ny mpiasam-panjakana androany 18 oktobra 2023,manoloana ny toe-javamisy eto amin’ny firenena ankehitriny.Manameloka tanteraka ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny fanjakana mijoro ankehitriny izy ireo.Tsy manaiky ny handokoana loko politika ny mpiasam-panjakana izy ireo raha ny antso avo nataon’izy ireo nanoloana ny mpanao gazety.

⏩Tsy misy intsony ny hasin’ny asa amin’ny fanjakana raha ny nambaran’ny solotenan’izy ireo RATOLOJANAHARY Maharavo na i Doudou.Noho izany,dia mampiantso ireo mpiasam-panjakana rehetra hiara hivondrona amin’izy ireo,ary hanatanteraka dinika amin’ny zoma ho avy izao etsy Andavamamba.Miantso ny mpanao politika ihany izy ireo hilamina sy hiroso amin’ny fifampidinihina,indrindra ny eo anivon’ny fanjakana.Raha toa kosa ka tsy misy mihaino ny fangatahana sy ny antso avo hataon’izy ireo, dia hiroso amin’ny fampiatoana tanteraka ny asa.

ALEXANDRINE RANAIVOSON

2 796 réflexions sur “Fikambanan’ny sendika mpiasam-panjakana: MANDRAHONA HAMPIATO NY ASANY …

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *