ANKIZY MPIANATRY NY EPP MIISA 60 NAHAZO  FITAOVAM-PIANARANA

Ankizy mpianatry ny EPP miisa 60 nanana ny naoty ambony indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE 2022-2023 teny anivon’ny Boriboritany 6 nahazo fitaovam-pianarana avy amin’ny Ben’ny Tanana Naina Andriantsitohaina.

Naoty mendrika tokoa, 16.2 hatramin’ny 19.2 no azon’izy ireo, ka ny avy ao Andrefana Ambohijanahary no nahazo ny naoty tsara indrindra manerana ny EPP.

Ankoatran’ireo fitaovam-pianarana sy ny mari-pankasitrahana izay natolotra ho fanohanana ny ezaka nataon’ireo kilonga dia hitsidika ny « Gallery HAKANTO Ankadimbahoaka » ihany koa izy ireo.

209 réflexions sur “ANKIZY MPIANATRY NY EPP MIISA 60 NAHAZO  FITAOVAM-PIANARANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *