Da Hopp : Etsy amin’ ny Kudéta Urban Club

DA HOPP:MANANDRATRA HATRANY NY RAP MALAGASY

📌 Hanatanteraka seho anaty trano ny tarika Da Hopp,mpamoy ny gadona rap malagasy.Ny 5 aogositra 2023 ho avy izao,no hanatanterahana azy io etsy amin’ny Kudéta Urban Club Anosy,manomboka amin’ny 8 ora alina.Haharitra ora roa sy sasany eo ny seho,ary hiezaka ny hamerina ny laza nahafantarana ny Da Hopp hatramin’izay ny tarika mandritra inyo fotoana io.Hotendrena avokoa ny hira hataon’ny Da Hopp amin’io andron’ny fampisehoana io,izay hampiavaka azy ireo.
📌Raha ny tontolon’ny rap malagasy indray no jerena ,araka ny maha-mpamoy ny gadona rap ny tarika,dia tsy mena-mitaha ny any ivelany isika eto Madagasikara.Afangaro ny kolontsaina malagasy sy ny rap,ka manome zava-baovao sy miavaka tsy mitovy amin’ny rap rehetra faheno manerantany.

Alex R.

Une réflexion sur “Da Hopp : Etsy amin’ ny Kudéta Urban Club

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *