Seces

SECES Antananarivo: HIFARANA ANIO NY 72 ORA – METY HAMPITSAHARANA NY FAMPIANARANA

📌Noho ny tsy fandoavana hatramin’izao ny Ora fanampiny amin’ny karaman’ny SECES sy ny “vacation” tapany faharoa ho an’ny taom-pianarana 2018-2019,ary ny 2019-2020,2021-2022.Ny tsy famoahana ny”indemnité de recherches et d’investigations” ny taona 2018 ho an’ireo mpikaroka mpisotro ronono. Ny lalàna mikasika ny sata manokana mifehy ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka ho mpampianatra, izay mbola tsy nahitam-baliny hatramin’izao.Sy ireo olana maro samy hafa mbola tsy nisy voavaha hatramin’izao,izay efa nanaovana fanairana hatramin’izay.
Nandray izao fanampahan-kevitra izao ireo teo anivon’ny SECES sampana Antananarivo,tao aorian’ny fivoriana nataon’izy ireo:mitaky ny fametraham-pialan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta,ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa ,ny Minisitry ny Vola sy ny Toe-karena;noho ireo antony voalaza etsy ambony.

📌Raha tsy voavaha moa ireo olana rehetra ireo,dia hampiato ny asa aman-draharaha rehetra eny amin’ny oniversite ny SECES,ka hiato ao anatin’izany koa ny fampianarana rehetra.

Nanome 72 ora moa ireto mpampianatra ireto,nanomboka ny 11 jolay lasa teo,ka mifarana anio 13 jolay izany fe-potoana nomen’izy ireo izany.

Andrasana araka izany ny tohin'ny raharaha.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *