RSE

“Salon de la RSE “: HASONGADINA IREO ORINASA TSY MIANKINA AMIN’NY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA

🌿🌿 Tanterahana ny 6 sy 7 jolay,etsy amin’ny Novotel Alarobia,ny andiany faha valo amin’ny hetsika fandraisan’andraikitra ny orinasa eo anivon’ny fiarahamonina sy ny fampandrosoana maharitra.
Asongadina mandritra izany hetsika izany,ny lohahevitra mahakasika ny zava-manan’aina sy ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny.Misy ny lohahevitra dinihina mandritra io roa andro,iarahana amin’ireo orinasa tsy miankina ,miasa sy mihodina amin’ny sehatry ny zava-manan’aina no adihevitra.”Karazan-javamanan’aina sy ny sehatra tsy miankina”;io ny lohahevitra lehibe hiaraha-midinika miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana.Hasongadina amin’ity andiany faha-8 ity,ny orinasa tsy miankina amin’ny fanjakana,ho fampandraisana andraikitra azy ireo amin’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana,raha ny nambaran’ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy,VINA Marie Orlea.Mila hametraka ny fandrindrana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny Karazan-javamanan’aina, amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy.
🌿🌿Ny tanjona tiana ho tratrarina amin’izao hetsika izao ,moa raha ny nambaran’ny Minisitra hatrany nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika,dia ny fampivondronana ireo orinasa tsy miankina,hiara-hientana amin’ny fikajiana ny tontolo iainana.
📌📌Orinasa matanjaka maromaro no manao ny fampahafantarana ny zava-misy ao aminy,amin’ny alalan’ny fiarovana tontolo iainana,toy ny orinasa Ambatovy,Sahanala sy ireo maro hafa.
✍️:Olivia R.

Une réflexion sur “RSE

  • 16 septembre 2024 à 17h24
    Permalien

    Great info. Lucky me I discovered your website by accident (stumbleupon).
    I’ve saved as a favorite for later!

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *