Ambohimanga Rova

Ambohimanga Rova : MITAZONA NY MAHA MALAGASY

Ho fanamarihana ny fetim-pirenena dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany alakamisy 22 jona 2023 ny ” Tsenabe Takalo” andiany faha-11 teny amin’ny tsenan’Alakamisy, Kaominina Ambohimanga Rova, izay notronin’ny Ben’ny tanana RAKOTONINDRINA Rôrô sy ny mpanolon-tsainan’ny governemanta Jeneraly Richard RAVALOMANANA ary ny Minisitry ny asa tanana sy ny taozavatra.

📌 Hetsika maro no kasaina atao maditry ny tsenabe hatramin’ny 26 jona ho avy izao, toy ny takalo sy varotra fampirantiana sy ny maro samihafa. Tanjona amin’izanymoa ny hameranana soatoavina malagasy teo amin’ny lafiny ara-barotra. Araka ny nambaran’ny Ben’ny tanana dia efa misy ihany koa ny fikasana hamerina ny tsenan’omby. Manoloana izany dia nisaotra manokanany ben’ny tanana sy ny panolon-tsainan’ny governemanta Ramatao Sophia Ratsiraka nohon’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny famerenana sy famelomana kolontsaina malagasy nandritra ny lahateny nataony, mirakitra fitiavan-tanindrazana izany hoy izy ary manana endrika fampianarana ny asa tanana izay ampiratiana mandritra ny tsena be. Na dia eo aza nefa izany dia tsikaritra fa tsy dia mahaliana ny mponina loatra ny tsenan’Alakamisy nohon’ny tsy fisian’ny jiro, eo ihany koa ny tsena izay vitsy mpivarotra sy tsy dia ahitana firoboroboana.

📌 Ankilan’izanyy dia nisy ihany koa ny didim-poitra faobe androany.

R.Finaritra

5 réflexions sur “Ambohimanga Rova

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *