Hetsika teny amin’ny 13 Mey

⭕Hetsika teo amin’ny kianja 13 Mey androany: TONGA TENY AN-TOERANA RAMATOA DORIS RAKOTO SAMUEL VADIN’I MAHERY LANTO MANANDAFY ARY NODY AVY EO

▶️Tonga teny amin’ny Kianja 13 Mey Ramatoa DORIS RAKOTO SAMUEL VADIN’I MAHERY LANTO MANANDAFY – taorian’ny fampahafantarana nataony. Efa niatrana teny koa ny mpitandro filaminana.

▶️Taorian’ny fifamaliana teo aminy sy ny mpitandro filaminana dia nandeha nody izy avy eo. Saika hanao tatitra sy hilaza ny marary ny vahoaka no antondiany teny – raha ny fanentanana nataony.

▶️Raha tsiahivana dia nanao fanambarana izy andro vitsy lasa izay fa hanao hetsika eo amin’ny 13 Mey androany ary nanao fanentanana sy niakatra tamin’ny haino aman-jery mihitsy.
Tonga teny an-toerana tokoa izy niaraka tamina mpiara-dia aminy tamin’ity maraina ity. Marihana fa mbola voatana any amin’ny fonja Antanimora ny vadiny

✍️Khan M.

196 réflexions sur “Hetsika teny amin’ny 13 Mey

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *