V3F: HITONDRANA FANABEAZANA …

V3F(Vision Fanabeazana, Fototra, Fampandrosoana): HITONDRANA FANABEAZANA HO FAMPANDROSOANA NY FIRENENA

Nisy ny famelabelaran-kevitra narahina ady hevitra izay nataon’ny antoko politika V3F na Vision Fanabeazana, Fototra, Fampandrosoana izay notarihin’ny filoha nasionalin’y V3F RAKOTOMALALA Dera androany 27 May 2023 .

Misehatra amin’ny rehetra ny antoko amin’ny fandaminana sy fampandrosoana ny firenena.

Ny fanabeazana no hitan’izy ireo ho lalàna mahomby hitondrana ny fampandrosoana an’i Madagasikara ho firenena matanjaka.

Ka izay fanabeazana izay no vina sy paikady ho entin’ny antoko V3F hampandroso ny firenena ary io no fitaovana azo antoka entina hamolavolana ny olom-pirenena indrindra ny tanora mba hisehatra amin’ny rehetra .

Io famelabelarana androany io dia niarahana tamin’ireo tanora maro ho entina hampafantarana sy hitondrana fa ny fanabeazana no fototry iray mitondra any amin’ny fampandrosoana ny firenena .

Olivia R.

420 réflexions sur “V3F: HITONDRANA FANABEAZANA …

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *