29 MARTSA 2023 : NY FANILO MIAMPITA NO FITIAVAN-TANINDRAZANA HO AN’NY FIRENENA HO TOLOM-PANAFAHANA SY FIRAISANKINA

29 MARTSA 2023 : NY FANILO MIAMPITA NO FITIAVAN-TANINDRAZANA HO AN’NY FIRENENA HO TOLOM-PANAFAHANA SY FIRAISANKINA

Faha 76 Taona ny tolom-panafahana , teny fasan’ny mahery fo 𝗠𝗮𝘂𝘀𝗼𝗹𝗲́𝗲 𝗔𝘃𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿’𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝘁𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 no nanatanterahin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fametrahana fehezam-boninkazo ho an’ireo mpitolona lavo sy ho fatsiarovana azy izao , ny anio 29 Martsa 2023 ary niarahabany manokana ireo sisa velona , izay niatrika ity lanonana ity
Avy hatrany dia nihazo teto Moramanga ny Filoha niatrika ny lanonana ho fahatsiarovana ny 1947, Moramanga izay manana ny tantara manokana momba iny raharaha 47 iny .

« adidy sy andraikitra ho an’ny mpitondra ary ny olom-pirenena ihany koa , ny mampatsiahy ny andro mana-tantara dia ny 29 Martsa 1947 hoy ny Filoha Andry RAJOELINA nandritra ny lahan-teny nataony teto Moramanga. Nisy tolona , ra latsaka teto amin’ny firenena nitakiana ny fahaleovantena ka tsy nanaiky ny fanjanahana izany .

Izay afon’ny fitiava-tanindrazana izay no tiana ampitahina mba ho fanilo miampita ho an’ny Malagasy tsirairay avy , izany indrindra no nisafidianana ny teny filamatra amin’ny izao fahatsiarovana ny 29 Martsa izao dia ny : « tolom-panafahana , Firaisan-kina ho an’ny Fitiavan-tanindrazana « .

Izay firaisankina sy fitiavan-tanindrazana izay hoy hatrany ny Filoha no hahafahana mampandroso ity firenena ity. Ny tolona natao ireo Ray aman-dreny dia nikatsahana ny fahaleovantena ary mbola hotohizana ankehitriny , mba ho tonga marina fahaleovantena ara-tsakafo , ara-toekarena mba tena handroso ity Madagasikara ity , izay mila olona tia tanindrazana , tian’ny vahoaka ary afaka hampandroso ny Firenena. Nanao antso avo ny Filoha Andry RAJOELINA : mba iray hina , hifankatia , tsy hanaiky ho zarazaraina, fa itambatra toy ny vato , ary indrindra indrindra handala ny marina sy ny hitsiny , hanana finoana sy fasahiana ary hiara hientana ho an’ny Malagasy .

Notanteriny Filoha teto ihany koa nandritra ny lahanteniny ny hitokanana tsy ho ela ny RN 44 sy ny fitokanana alohan’ny volana Jolay,ny toeram-pitsaboana sy ivo-toerana ho an’ny zokiolona izay afahana mitsabo maimampoana azy ireo, ary ho hisy ny trano zokiolona izay handraisana azy ireo, izay hanamarika tolona izay natao teto Moramanga.

Nandritra ny lanonana teto Moramanga no nanoloran’ny Filoha ny moto ho an’ireo beninny ’tanana rehetra ato amin’ny faritra Alaotra Mangoro, sy kamio fadrahofana fako miisa 5 hoan’ny kaomina ny Moramanga.

Andry RAKOTONIRAINY

121 réflexions sur “29 MARTSA 2023 : NY FANILO MIAMPITA NO FITIAVAN-TANINDRAZANA HO AN’NY FIRENENA HO TOLOM-PANAFAHANA SY FIRAISANKINA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *