RA-KOOL : NATAO FISORATAM-PANAMBADIANA ANDROANY

Notontosaina androany ny fisoratam-panambadian’i Rakool na Razafindranaivo Koloina sy Nasandratriniaina Mendrika Lavorary vadiny.

Rakool moa tsy iza fa ilay tovolahy mpilalao ao amin’ny Barea zandriny – nandray anjara tamin’ny #Chan teo ary tany amin’ny Chan natao tany Algerie ihany dia nahazo contrat noho ny fahaizany.

Fomba malagasy no naseho tamin’izany ary ny Ben’ny tanana Andoharanofotsy – izay tsy iza fa ny lehiben’ny Klioba nilalaovan’ny Rakool ihany no nanatontosa izany fisoratam-panambadiana izany. Tamin’ity anio ity ihany koa moa no nanatanterahana ny mariazin’izy ireo.

Ny talata izao moa no hanainga hihazo an’i Algerie izay misy ny Mouloudia Club izay hilalaovany Rakool.

#barea

#ledefi_madagascar

Araho hatrany ny vaovao maro ao anatin’ny https://ledefi.mg

188 réflexions sur “RA-KOOL : NATAO FISORATAM-PANAMBADIANA ANDROANY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *