Taombaovao Malagasy 2023 : NANEHOANA NY FIHAVANANA

Ankalazaina eny amin’ny Rovan’Ambohidrabiby anio alarobia 22 Marsa 2023 ny taombaovao malagasy. Fotoana iray
anehoana ny Maha malagasy ary hanehoana fihavanana izy io , araka ny fanazavan’ny Mr Razafy Mihanta mpandala ny
Maha malagasy.

Tonga manotrona izany avokoa ireo mpitahiry ny nentim-paharazana sy ny mpandala fomba ary ny olon-tsotra mahatsiaro tena fa malagasy.
Ny tsikaritra dia na ireo Mpandala ny
maha malagasy izay Kristianina , na ireo mpandala ny maha malagasy mitana ny fivavahana nentin-drazana dia
samy mifandray miara mankalaza izany : ” Rehefa resaka fomban-drazana dia tonga izahay ary tonga koa izahay manotrona satria
antsika io” , hoy ny Fanazavan’ny Taranak’ireo Manankasina.

Talohan’ity anio ity dia nisy ny “Afo Tsy maty” izay nankalazaina tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina – notarihan’ny Rossy
ary nahitana an-dry Ankoay. Nanatrika ity fotoana ity koa moa ny Ben’ny Tanana Antananarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina. Faly ny rehetra
tamin’ny fahatongavan’ingahy Ben’ny Tanana ary tena rakotra olona ny kianja.
Rehefa taombaovao tahaka izao dia mila Madio saina – Madio fo – ary fotoana fifamelana ihany koa. Taratr’ilay Andro Fandroana
tamin’ny faha Mpanjaka ihany koa izany.

ARAHABA TRATRY NY ASARAMANITRA E

1 063 réflexions sur “Taombaovao Malagasy 2023 : NANEHOANA NY FIHAVANANA