48 AMIN’IREO MPIANATRA 200 AO AMIN’NY SEKOLY LOTERANA ANTANAMANJAKA ANTSIRABE DIA MANANA FAHASAROTANA

Ny 48 amin’ireo mpianatra 200 any amin’ny Sekoly Loterana Antanamanjaka Antsirabe dia manana fahasarotana ara-pihainoana sy ara-tsaina ary ara-pahitana. Natao ho an’ny zanaky ny fianakaviana sahirana ny sekoly ka maimai-poana avokoa na ny fisoratana anarana na ny sara-pianarana. Manao tantsoroka amin’ny fampihodinana ny sekoly ny ray mpiahy izay zanaky ny Fiangonana Loterana Antanamanjaka ihany.

NY INTERVIEW MANAZAVA ITY FOTOANA ITY

Maro ny fanampiana azo avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ity sekoly ity toy ny dabilio manarapenitra miisa30, teo koa ny dabilio miisa 30 avy amin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha ankoatra ny kits scolaires avy amin’ny Ministera foibe.Noferana ho 200 ny mpianatra noraisina tamin’ity taom-pianarana ity nohon’ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana.An-dalam-pikarakarana ny taratasy any amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ankehitriny ny mpitantana ny sekoly amin’ny fanitarana sy fananganana fotodrafitrasa vaovao.Ho fanamaivanana ny fahasahiran’ny ray aman-dreny dia natao ny alahady teo ny batisa ny mpianatra 9 mianadahy,taorian’izany dia afaka nankalaza ny fetin’ny krismasy tahaka ny zaza Malagasy rehetra ny mpianatra.

1 309 réflexions sur “48 AMIN’IREO MPIANATRA 200 AO AMIN’NY SEKOLY LOTERANA ANTANAMANJAKA ANTSIRABE DIA MANANA FAHASAROTANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *