Hcc: HISY NY FIFIDIANANA AMIN’NY 16 NOVAMBRA

Hifidy sa tsy hifidy ny “Collectif des candidats” sy ny mpanara-dia azy ireo amin’ny 16 novambra ?

Nohamafisin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana fa hisy ny fifidianana filoham-pirenena fihodianana voalohany amin’ny alakamisy 16 novambra ho avy izao. Feno ireo fepetra rehetra hanatanterahana izany, hoy ny Filohan’ity Andrimpanjakana ity, Andriamatoa Florent Rakotoarisoa nandritry ny fihaonany sy ireo mpanolotsaina avo tamin’ny mpanao gazety androany.

Sesilany ihany koa ny fahatongavan’ireo mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny kaontinanta afrikana, toy ny Vondrona afrikana, ny SADC, ny COMESA, ny CEMAC.
Vonona hanatanteraka ny iraka fanaraha-maso ihany koa ireo mpanara-maso ny fifidianana eto an-toerana. Isan’izany ny Observatoire Safidy, ny KMF/CNOE ary efa nilaza ny FFKM fa hirotsaka hanara-maso ihany koa amin’ny alalan’ny Andrimaso FFKM.

Mikasika ny fametrahana fitoriana eo anatrehan’ireo fandikan-dalàna mikasika ny fifidianana dia nanambara ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana fa izay vosoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy sy tonga mandrotsa-bato ihany no afaka mametraka fitoriana. Ampiarahin’ny mpitory amin’ny fitoriana ny dika mitovy ny kara-pifidianana ho fanamarinana fa nandatsa-bato.

Eo anatrehan’izany dia mipetraka ny fanontaniana hoe hifidy sa tsy hifidy ny “Collectif des candidats” sy ny mpanara-dia azy ireo. Raha tsy tonga mandatsa-bato mantsy izy ireo dia tsy afaka ny hitory mikasika ireo tsy fahatomombanana sy fandikan-dalàna tanisain’izy ireo amin’ny kabary izay ataony mandritra ireo famoriana mpitolona.

Noresahana koa ny mikasika ny fehinkevitry ny FFKM – PAN miresaka ny fanemorana fifidianana: Tsy manan-kery iny ary raisina toy ny fanehoan-kevitra rehetra ireny. Tsy manana valeur juridique.
Ny #Hcc hatreto dia miaro ny fampiharana ny lalampanorenana ary tsy mivoaka amin’izany na iza hanindry na iza hanome baiko.

8 réflexions sur “Hcc: HISY NY FIFIDIANANA AMIN’NY 16 NOVAMBRA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *