️RAHARAHA LÔLA RASOAMAHARO: NIVADIKA RESAKA JIRAMA INDRAY NO HITORIANA AZY

Miakatra etsy amin’ny tribonaly Anosy i Lola RASOAMAHARO amin’izao zoma 31 marsa 2023 izao.

Fantatra fa raharaha hafa momba ny trosa tsy voaloha tamin’ny JIRAMA tamin’ny taona 2016 indray no hiainoana azy androany.

Nivadika ho raharaha Jirama indray izany no hitoriana azy – fa tsy ilay hitatsika sy narahatsika teto amin’ny vaovao niparitaka teto Madagasikara.

Tonga teny an-toerana avokoa ireo mpanao gazetiny. Tsikaritra koa ny fahamaroan’ny mpitandro filaminana manodidina ny Lapan’ny Fitsarana.

#lola_rasoamaharo
#affaire_la_gazette_de_la_grande_ile

Araho ny vaovao hafa ao amin’ny https://ledefi.mg/

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *