Zakahely Boniface : NANANGANA NY LALANA FAHATELO

⏩Antananarivo 18 oktobra 2023 – Nilaza ny depiote teo aloha Zakahely Boniface, anio, tetsy Anosy fa isan’ireo nanangana ny lalana faha-telo niaraka tamin’i Andrialemirovason izy. Efa miha-maro ireo antoko, fikambanana, fiaraha-monim-pirenena manara-dia azy ireo amin’izao olan’i Andry Rajoelina sy ny kandida 11 izao. Mitady vahaolana toy ny tamin’ny fifanarahana Panorama izy ireo. Ny FFKM mantsy aminy dia tsy manana hery hahatoa ho lalàna ny vahaolana hitany hatramin’izay.

⏩Mikasika ny sehatra jirofo indray kosa dia misy koa ny olana satria hakana 2 dolara isakin’ny kilao ny mpanondrana nefa ny vidiny iraisam-pirenena dia 30000 ariary raha be indrindra, mbola misy anefa ny vola alain’ny mpanangom-bokatra ka zara raha mahazo ny tantsaha. Tsy mamoha intsony araka ny tokony ho izy ireo jirofo satria efa antitra. Tsy hita intsony koa ny heriny ara-kolontsaina satria tsy afa-manambady raha tsy manome zana-jirofo hambolena.

HASIMBOLA