VOTSOTRA IREO VOAMPANGA

Fanafihana mitam-piadiana nifanesy teto Toamasina : NA MARO AZA NY FIAMPANGANA VOTSOTRA DAHOLO IREO VOAMPANGA

Anisan’ny raharaha narahin’ny mpanaram-baovao maro teto Toamasina ny trangana vonoan’ olona tetsy Tanamakoa sy fandrombana tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana moto tetsy sy teroa teto ary nifanesy izany nandritra ny fiafaranan’ny taona 2022 ka hatramin’ny fiandohan’ny taona 2023 hatramin’ny volana  jona. Taorian’ ireo nisy ny vokatra teo amin’ny fandraisan’ andraikitry ny polisy nisy ny voasambotra sy nahatrarana basy fampiasan’ ireo jiolahy.

Niakatra tetsy amin’ny sampam-pitsarana ady heloka bevava ny alarobia tolak’ andro  faha 22 novambra teo ny  raharaha nanenjehan’ny fitsarana an-dry Rafanomezantsoa Christophe sy Jean Charles ary Stelanony Zafindramanana Rudi. Antota-taratasin’ady telo amina karazan-keloka samihafa avy amin’ny mpitory samihafa no hanenjehana azy telo lahy ireto ary tsy nisy na iray aza nahavoasazy azy telo lahy voarohirohy tamin’ ireo fiampangana samihafa.

Ho an’ny antota-taratasy fiampangana voalohany laharana faha  112- Toa/23- 195-RP/23, izay notsaraina niatomboka tamin’ny 3 ora sy 37 minitra  ka hatramin’ny 4 ora sy 52 minitra dia momban’ny fanafihana mitam-piadiana nitranga tao  Tsararivotra Toamasina faharoa ny 03 septambra 2022  izay nitifirana olona roa mpivady teny ambony moto  ary naratra mafy tamin’ izany ilay raim-pianaakaviana nitondra ny moto teo aloha, nitsoaka kosa ilay ramatoa ary lasan’ ireo jiolahy ny moto Rs, nisy nahatsikaritra kanefa ireo rehetra ireo ka nanome ny polisim-pirenena ny loharanom-baovao.

Ho an’ ity fiampangana voalohany ity tsy tonga ny mpirory , Fa nandritra ny fifandaharana sy famakiana ny  antota-taratasin’ ady izay mirakitra ny famotorana sy fanadihadiana niainga avy tany amin’ny polisy ary nitohy teo amin’ny mpitsara mpanao fanadihadiana lalina no nahalalana fa ny voampanga iray i Stelanony Zafindramanana Rudi,dia tsy mandray anjara mivantana amin’ny fanafihana fa kosa mpampanofa basy ka 300.000 ariary ny hofany, izany rahateo dia efa nimpoitra  tamin’ny valan-dresaka nataon’ny mpitadro ny filaminana sy tonia mpampanoa lalana nandritra ny fahasamborana ireto voampanga ireto , teto dia Atoa, Nantenaina Heriot Hordia, ny mpitory .  saingy tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana ,vokany nivoaka ny didy teto fa afaka nohon’ny fisalasalana ny voampanga didy voalohany.

Maty anaka sy very vola aho

Mbola ireto voampanga ireto ihany fa teo amin’ny antota-taratasin’ ady hanenjehan’ny fitsarana azireo ny laharana faha 131-Toa/23-194-RP/23, izay lava indrindra ny fifandaharana satria niatomboka tamin’ny 5 ora  tsy nifarana raaha tsy tamin’ny 8 ora sy 30 minitra alina, izay natrehan’ny mpitory, Atoa, Roger Rajoro. Ho an’ ity farany dia ity tranga fanafihana mitam-piadiana naharatrana mpandraharaha iray amina jirofo sy nahafatesana  olona iray dia ny zanak’ ity mpandraharaha jirofo ity tao Tanamakoa ny 13 janoary 2023 tokony ho tamin’ny 5 ora tolak’ andro . Nafana ny adihevitra sy fifandaharana teto ary nanizingizina ny mpitory fa ireto telo lahy ireto no niditra ankeriny tao antokatranony  ka nitifitra ny zanany sy ilay mpandraharaha iray namana haka ny vola vidin’ny jirofony tao aminy,hoy izy nanitrikitrika. Akilany manao sesilany sy variraraka kosa ny fanontaniana avy amin’ny mpisolovava mpiaro ny voampanga sy mpitsara mpamoaka didy miantefa amin’ny mpitory, ity rahateo nohon’ny fahatokisana noho izy niharamboina tsy naka mpisolovava mba hanampy azy. ” Azalahy eh efa zaho maty anaka sy very vola indray ve izany ataonareo tambambe, efa ho andiny efatra izay hijoroana eto “ hoy izy teo anoloan’ny fitsarana ny alarobia 22 novambra io.

Raha hiverenana nandritra ny fisamborana an’ ity voampanga Stelanony Zafindramanana Rudi, dia efa niely ny feo ny mety hisian’ny vola be hihodina tetsy sy teroa hanavotan’ity farany ny tenany, niezaka niresaka an’ izany ny tambanjotran-tserasera maro isan-karazany mba hisorohana ny tsy hamotsorana an’ity mpiasa anivon’ny vondrona mpamonjy voina ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina  ity, somary nisamboaravoara ihany koa ny teo anivon’ny fitsarana tamin’izany.

Taorian’ny fifandaharana izay naharitra andim-pamataran’andro efatra be izao dia nivoaka ny didy nohafahan’ny fitsarana ambony ampisalasalana tamin’ny loham-piampngana miisa efatra , dia ny Famoronana fikambanan-jiolahy mitam-piadiana hanatanteraha asan-jiolahy, fampiasana fitaovam-piadiana tsy nahazahoana alalana, ary halatra sy fankana ankeriny fananan’ olona sy vonoan’olona, taorian’ ity farany dia mbola nitohy ny fitsarana ny antota-taratasin’ ady fahatelo an’ireto voampanga, raha i Rasoamalala Lucienne, mpitory teto amin’ny loham-piampangana roa dia famoronana fikambanan-jiolahy sy fanafihana mitam-piadiana fa saingy nohafahan’ny fitsarana ihany koa.

Hampiakatra sampam-pitsarana fandravana didy

Tamin’ny hatairana sy alahelo nasetrin’ny mpanaram-baovao maro tonga nanatrika an’ity fotoam-pitsarana tena hasarika olona maro tao amin’ny lapan’ny fitsarana ity. Nanambara kosa ny niharamboina teto fa hampiakatra ny raharaha.

113 réflexions sur “VOTSOTRA IREO VOAMPANGA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *