Vatsy tsinjo

🟢VATSY TSINJO : IZAY MANANA MIZARA AMIN’NY TSY MANANA…

✅ Fitsinjovana ireo mponina ao amin’izao fotoam-pialatsasatra izao , no nozarana manerana ny boriborintany enina eto Andrenivohiitra ny vatsy tsinjo . Teny kianjan’ ny Agris Ambatobe no nanokafan’ny filoha Malagasy Andry RAJOELINA izany ny 29 Jolay 2023, notronin’ny Minisitra ny mponina SOAFILIRA Princia sy ny Miniistra ny filaminana anatiny RAFANOMEZANTSOA Roger , ny Tale jeneraly ny BNGRC Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja.

✅« Tsy maintsy mifamptsinjo isika hoy Filoha Andry RAJOELINA , fotoanan’ny fiala-tsasatra izao , maro ireo ankizy no nisitraka ny cantine scolaire rehefa mianatra , ankehitriny dia efa miala-sasatra avokoa , maro amin’ny Ray aman-dreny no sahirana satria ao an-trano daholo ny ankizy , ka dia ny mponina Ambatobe no nanaovana ny fisantarana ny Vatsy tsinjo , satria izay manana dia tokony mba mizara amin’izay tsy manana, ary ny tsirairay dia tokony hifampitsinjo».

✅Efa natomboka tamin’ny Zoma fifanampiana ny fiahiana ara- tsosialy ho an’ny mponina hoy kosa ny Minisitra SOAFILIRA Princia , ankehitriny dia nohamafisina izany amin’ny alalan’izao vatsy tsinjo izay natrehin’ny Filoha Malagasy izao. Porofo izany fa tsy mitsahatra mitsinjo ny vahoaka ny fanjakana.

✅Mandritra ny volana Aogositra dia toerana maro sy mponina maro avy amin’ny fokontany rehetra ato amin’ny boriborintany enina no hanataterahina ny fizarana ny vatsy tsinjo izay ahitana vary gony iray avy.

Andry Rakotonirainy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *