Vahao ny Oloko: HANKALAZA NY FAHA 20 TAONA NIJOROANY

Vahao ny Oloko: HANKALAZA NY FAHA 20 TAONA NIJOROANY

🙏Hankalaza ny faha 20 taonany ny trano fivavahana “Vahao ny Oloko”,ary koa ny faha 20 taonan’ny “Délivrance” sy ny fiovana.Izany dia hatao ny Asabotsy 9 aogositra 2023,ho avy izao eny amin’ny Coliseum Antsonjombe,manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fotoana.

🙏 Fotoana iray entina hitrotroana am-bavaka ny mpino ao amin’ny Vahao ny Oloko ny fotoana,fa eo ihany koa ny fitrotroana am-bavaka ny firenena.Natao ho an’ny rehetra ny fivavahana fa tsy hanavahana antokom-pinoana,raha ny nambaran’ny Pasitera Hery Tiana RANDRIARIMALALA,mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko,ka hanasana ny rehetra ho avy amin’izany.

 Ankoatra izay,dia hanao fanompoam-pivavahana miaraka amin'ireo mpanao politika eto amin'ny firenena ny fivavahana Vahao ny Oloko, tarihin'ny pasitera Hery Tiana RANDRIARIMALALA,hitondrana am-bavaka azy ireo manokana amin'ny maha mpitondra firenena sy mpitondra ny feon'ny vahoaka azy ireo,ny zoma  18 aogositra 2023.

✍️: Alex R.
📷: Olivia R.

161 réflexions sur “Vahao ny Oloko: HANKALAZA NY FAHA 20 TAONA NIJOROANY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *