” TSY VAO ANDROANY NY FILOHA ANDRY RAJOELINA NO NITETY FARITRA”

Tena manao ny asany ara-dalana ny Filoham-pirenena ary tsy vao izao no nanao fitetezam-paritra…Aoka izay ny fandikana diso sy ny fankahalana be fahatany, hoy ny Sénateur Tahiana ANDRIANANDRASANA.

Manoloana ny resabe mikasika ny filazana fa endrika fampielezan-kevitra ny fitetezam-paritra ataon’ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny dia nitondra fanazavana momba izay ny Senatera Tahina Andrianandrasana. Voalazany fa manana Filoham-pirenena mitsinjo sy manasoa ny vahoaka isika. Tsy vao androany ny Filoha Andry Rajoelina no nitety faritra sy niaraka tamin’ny vahoaka malagasy mpomba azy na ny mety ho tsy momba azy.

“Nisy ny zava-bita tany aloha no tsy afaka notokanana tamin’ny fotoam-piasana voalohany (mandat voalohany) satria voararan’ny lalàna sy ny Governemanta tamin’izany. Mba ho fanajana ny lalàna rahateo dia tsy nitokana na inona na inona ny Filoha nandritra ny fifidianana izay ho Filohan’ny repoblika, ny taona lasa teo. Vita mihitsy ny fifidianana filoham-pirenena vao nanatanteraka izany izy. Amin’izao indray dia miditra amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka indray isika izao. Tsy afaka hiandry isika hoe vita fifidianana satria tafiditra amin’ny filan’ny vahoaka ireny fotodrafitrasa ireny ary efa maika”, hoy ny fanazavan’ity Loholon’ny Madagasikara ity.

Ny tiana tsindriana, hoy izy, dia manana fandaraham-potoana manokana izay efa voafaritra mialoha ny Filoha. Araka izany dia mety efa fantatra ny toerana halehany mandritra ny taona maro ho avy. Izay koa no mahatonga azy mitandrina rehefa mandray fitenenana ka tsy miteny hoe Fidio i ranona na hoe fitokanana ofisialy an’ireny fotodrafitrasa ireny mandritra izao diany izao, mba ho fanajana ny lalàna.

Manao ny asany ara-dalàna ny filohan’ny Repoblika amin’izao », hoy hatrany Tahina Andrianandrasana, Loholon i Madagasikara. Tsiahivina hoy izy fa tsy misy ny sivana ho an’ireo olona izay manatrika ny dian’ny Filoha ary saika hita ao avokoa na mpanohana na ny mpanohitra. Zon’ny vahoaka rahateo ny hisitraka fotodrafitrasa ary ny olona dia efa mahafantatra izay kandidà ho fidiany. Aoka izay ny fandikana diso , ny tsy fitiavana sy ny fankalahana.
Tsiahivina moa fa tetsy amin’ny Lapan’Anosikely no nanaovana ity fanambarana ity. Tamin’ity fotoana ity moa no nandraisan’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona,ny jeneraly Richard Ravalomanana ny delegasion’ny « SADC »,androany. Ramatoa Justice Florence Mumba,no filohan’ny delegasiona tamin’izany ary 14 mianadahy izy ireo no vahinin’ny lapan’ Anosikely.
Resaka fifidianana solombavam-bahaoaka izay ho tanterahina amin’ny 29 may ho avy izao no votoatin’ny fihaonana. Nivoitra tao fa tonga hanara-maso ny fizotr’izany ny SADC.

Tsy misy aloha ny olana hatreto fa milamina antsakany sy andavany. Tsy voakorontana ihany koa ny lalàna mifehy ny fifidianana . Izany hoe andrasana ny vokatry ny fifidianana vao hisy ny tatitra ataon’ny « SADC » momba ny mety ho tsy fahatomombanana hitany eto amintsika.

Nanazava ny Filohan’ny Antenimieran-doholona,ny jeneraly Richard Ravalomanana fa mizotra tsara ny tetiandrom-pifidianana. Mandeha tsara ny fampielezan-kevitra ary samy mikatsaka izay ho maro an’isa ho eny amin’ny antenimieram-pirenena ny antoko politika rehetra.

ORELYA MENDRIKA

6 réflexions sur “” TSY VAO ANDROANY NY FILOHA ANDRY RAJOELINA NO NITETY FARITRA”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *